Zoma 4 marsa 2022 — Zoma manaraka ny lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 14-15

Henontsika eto fa miresaka mahakasika fifadian-kanina amin’i Jesoa ireto mpianatr’i Joany : "manino ny mpiantrao no tsy mifady hanina matetika tahaka anay sy ny Farisianina". Mazava ny tenin’i Jesoa fa tsy tokony hifady hanina izy ireo raha mbola miaraka amin’izy ireo izy. I Jesoa mbola eo anivon’izy ireo. Midika izany fa tokony mbola tsy hisaona aloha ny mpianatra, mbola eo amin’izy ireo ny mpampakatra dia i Kristy : noho izany fotoana fifaliana, fety, fiombonana.

Mitohy ny fampianaran’i Kristy : "fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, ka amin’izay vao mifady hanina izy". Ho vonoina i Kristy ary hitsangan-ko velona ary mbola ho avy amim-boninahitra. Ka eo ampiandrasana izay fiverenany izay dia ilaina ny mifady hanina mba hahatsiaro mandrakariva ny fihaonana aminy. Ny tanjona amin’ny fifadian-kanina mantsy dia entina hanampy antsika hiala amin’ny fifikirana amin’ny zavatry ny tany, izay madalo ihany, fa hifikitra amin’Andriamanitra na hahatsiaro azy, mba hanana fiombonana feno amin’i Kristy, eo am-piandrasana ny fiverenany.

Koa eto i Jesoa dia tsy mankahala ny fombafomba mahakasika ny fifadian-kanina matetika tahaka ny nataon’ireto mpianatr’i Joany fa te hisarika ny saintsika fa ny fifadian-kanina dia manana lanjany lehibe : manampy antsika hiombona amin’i Kristy, ary koa hahafahantsika manampy ny hafa. Ny fanontanina mipetraka amintsika kristianina tsirairy avy dia ny hoe : misy lanjany eo amin’ny fiombonanao amin’ny Andriamanitra sy ny hafa ve fifadian-kanina ataonao ? Mangataha àry ny fahasoavan’Andriamanitra mba hampitombo ny fitiavantsika azy, ary ny fifehezan-tena izay ataontsika mandritra izao vanim-potoana karemy izao anie mba hitondra vokatra amin’ny fanahintsika.

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...