Alahady 20 marsa 2022 — Alahady fahatelo amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 1-9

Indro aroso amintsika ny foto-kevitra amin’ity alahady fahatelo amin’ny Karemy, amin’ny taona D ity, manao hoe : "Mibebaha, miova toetra, fa ny tarehy ratsy no tsy azo ovana." Hamarinin’ny Evanjely amintsika izany. Amin’izao karemy izao : miakatra mananika tsikelikely ny Paka isika, izay fototry ny finoantsika ka hankalaza azy Kristy maty sy nitsangana ho velona, fa mila miombom-pijaliana aminy aloha raha tiana ny handresy miaraka aminy. Koa amin’izao alahady fahatelo amin’ny karemy izao mitaona antsika hibebaka i Jesoa amin’ny alalan’ny Eglizy : "Raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra." Tsy fibebahana kobaka am-bava na ravina antentina ety ivelany fotsiny na fitafy enti-manao sary mihetsika na koa toy ny kabarin’ireo mpanao politika sasany, fa tena hiainga avy amin’ny fo tokoa sy latsaka anaty. Misy toetra takiana amintsika hialana amin’izany. Eto izao : ny be takalaza : te hahazo ranondranony, mpisolelaka, sotro be lava tango ka mahay atsy sy aroa ! Aza mba te ho deraina toy izany fa aleo mifampiresaka sy mifanazava araka izay azo atao, na koa manontany rehefa misy tsy azo. Lalam-pibebahana tsara azontsika izorana ny mifanohintohina sy ny mifanohatohana.

Fanampin’izany aoka hiala nenina aloha fa tsy maika ny hikapa, hanesotra, hanafay, hanimba, hamotika. Ilaina ny faharetana ibebahana. Toa an’Andriamanitra : raha tsy maharitra Izy, asa angamba izay efa nahazo antsika ohatran’izay ! Amin’izay mantsy mbola azo hoevoina, asiana zezika, tondrahana, raha ilaina… fotoanan’izany izao karemy izao. Koa mahaiza manararaotra. Tanjona mantsy ny hampamoa antsika. Koa tsy mety ny mipetrapetra-potsiny, miandry mahazo, na koa hoe enti-pahazarana na enti-paharazana fotsiny ny atao amin’izao karemy izao. Tsy vitan’izany mantsy ny fibebahana takiana amintsika izao. Fa raha aviavy, araka ny fanoharana eto dia ilaina ny fifaneraserana amin’ny rivotra sy ny rano, eny hatramin’ny zezika aza. Koa aza mikombona amin’ny tena fotsiny fa ilaina ny fisokafana amin’ny hafa ka tsy hanimba na hanaratsy azy fa hiara-dalana aminy mamakivaky ny karemy. Voalohany amin’izany Izy Andriamanitra miantso antsika amin’izao karemy izao, manaraka izany ny manodidina antsika na ny ao an-trano na ny any am-piasana na ny eny amin’ny fiaraha-monina na ny iray fikambanana, na ny iray APV na sokajy fototra, na any am-piangonana ; mahaiza miara-dia fa aza mandeha ireny ! Koa alao hery àry.

Ampianaro izahay, ry Jesoa, hahay hibebaka marina amin’izay misy anay sy izay ataonay rehetra ka hiova toetra ho amin’ny tsaratsara kokoa hatrany. Amen !

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...