Alatsinainy 4 aprily 2022 — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 12-20

Niteraka fifandirana mafy teo amin’i Jesoa sy ny farisianina teto ny fanambarana nataony mikasika ny tenany. Nambarany mantsy fa izy no fahazavan’izao tontolo izao sy nirahin’ilay Ray izay any an-danitra. Tsy neken’ireo Jody anefa izany satria dia nihonona tamin’ny fijery amin’ny maha-olombelona an’i Jesoa izy ireo. Ny tanjon’ny fanambarana izay nataony mantsy dia ny mba hinoan’izy ireo fa izy ilay nirahin’Andriamanitra.

Ny fanambarana nataony dia ny hoe : "Izaho no fahazavan’izao tontolo izao". Ny tenany sy fampianarany ary ny fiainany mihitsy no Fahazavana manilo ny fiainantsika na ao anatin’ny mora na ao anatin’ny sarotra. Fahazavana izay ho entintsika miady amin’ny maizina dia ireo fahotana sy ireo fakam-panahy. Miantso antsika mpanara-dia azy koa izy mba ho fahazavana eo anivon’izao tontolo izao. Hitondra ny fahazavana eo anivon’ireo zava-manahirana eo anivon’ny fiainantsika olombelona.

Finoana àry araka izany no tokony ho entintsika mitondra an’io Fahazavana io. Mino fa i Jesoa dia Zanak’Andriamanitra Ray sy ilay nirahiny teto anivontsika.

Tompo ô, ampio ny finoanay mba hahafahanay mijoro tokoa ho tena Fahazavana eo amin’ny manodidina anay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...