Alatsinainy 11 aprily 2022 — Alatsinainy Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay! Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 1-11

Ry kristianina havana ! Efa ankatoky ny Paka hankalazana ny nitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, izay fototry ny finoantsika, tokoa isika. Efa antomotra ny dian’i Jesoa manatona an’i Jerosalema izay toerana hanatanterahany ny famonjena antsika. Araka ny Vaovao Mahafaly norenesintsika teo àry, dia niverina tany Betania tany amin’i Maria sy Marta ary i Lazara izay natsangany ho velona i Jesoa. Voalaza teo fa maro koa ny olona tonga tao tsy hoe noho i Jesoa ihany, izay efa nahaliana sy nahasarika ary nampitombo finoana ny fampianarana sy ny fahagagana nataony, fa eo koa ireo hijery sy hanaporofo hoe nanao ahoana i Lazara izay natsangany ho velona ; mbola velona ao ve ? Tsy sanatria mantsy rey olona majia na toy ireny fananganana fanano na matoatoa ireny no ataon’i Jesoa ka indray mihelina sy mamitaka maso ihany dia tsy hita, fa izay miankina sy mino azy dia velona mandrakizay, ka aoka isika tsy hisalasala ny amin’izany. I Lazara aza anie teto mbola niharan’ny fialonana indray ka nokasaina ho vonoina e ! Izay mantsy isika olombelona.

Lafiny faharoa dia fitaratra lehibe ho antsika ny fanehoam-pitiavana an’i Jesoa izay nasehon’i Maria eto, amin’ny fihetsika nasehony sy nanehoany fanajana an’i Jesoa. Tsy tamin’io fitsidihan’i Jesoa farany io ihany i Maria no naneho izany fihetsika izany fa isaky ny tonga i Jesoa dia maneho ny fahavononana mandrakariva izy handray ary hanome lanja eo amin’ny fiainana ilay Teny Velona irak’Andriamanitra, ka efa nilazan’i Jesoa fa izy no nifidy ny anjara tsara indrindra. Ny fitiavana mitarika antsika hanetry tena, fa jereo i Maria, volon-dohany no namafany ny tongotry ny Tompo ; mitarika antsika ihany koa hahafoy ary hizara toy ny fihetsik’i Maria teo ihany.

Lafiny fahatelo dia aoka isika tsy ho voan’ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola tafahoatra tahaka an’i Jodasy ka nalahelo tamin’ny diloilo nahosotr’i Maria ny tongotr’i Jesoa. Tsy tena fitiavana ny mahantra ny an’i Jodasy fa fihatsarambelatsihy noho ny fitiavan-tena. Mbola maro amintsika no voan’izany ary aretina mikiky antsika io, koa amin’izao Herinandro Masina izao dia mangataha amin’Andriamanitra mba ho lefy ao am-pontsika ny herin’ny ratsy izay fototry ny fahotantsika rehetra.

Ry Jesoa Tomponay ô ! Fongory ao am-ponay ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola izay mitondra anay any amin’ny fahaverezana. Ampio izahay ho tia marina ary hiombona mandrakariva aminao, hikatsahanay ny harena mandrakizay ao aminao ! Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...