Zoma 22 aprily 2022 — Zoma amin'ny havaloandron'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 1-14

Ity fisehoana fanintelony nisehoan'i Kristy tamin'ny mpianany ity, rehefa nitsangan-ko velona izy no manambara amintsika fa tsy mora tokoa ny mandresy lahatra ny amin'ny finoana, efa maro ihany ireo fomba nataon'i Kristy tamin'ny mpianany, nodinihintsika tamin'ity herinandro ity, nambaran'ireo manoratra ny Evanjely, nefa mbola izao ihany no zava-miseho. Tsy kivy anefa i Kristy fa mitady fomba sy tetika mandrakariva hampihaiky sy hampino ireto mpianany, toa niverina tamin'ny fanaony teo aloha fa tsy nanatanteraka ny iraka sy ny fijoroana ho vavolombelona izay efa nampanaovina azy ireo. Indro àry i Kristy fa tonga eo amoron-dranomasina nangoraka azy ireo izay tsy nahazo na inona na inona noho ny di-dohany ihany. Trangan-javatra mety mitranga amin'ny olombelona ihany ity mihatra amin'ny mpianatra ity : tsy misy vokany izay atao, fahakiviana no mitranga, "echec" tanteraka ny fiainana, indrindra moa ka rehefa tsy misy izay ny finoana. Tsy hoe nandatsa ireto mpianany anefa i Kristy raha nanontany azy ireo hoe : "Manan-kanina va ianareo anaka ?" fa te hanamafy sy hampahafantatra azy ireo izy fa tsy misy vokany tokoa ny fiainan-draolombelona raha tsy miaraka amin'Andriamanitra, hoy isika namarana ny fifampizarana omaly. I Kristy mihitsy àry eto, no milatsaka an-tsehatra nanampy azy ireo : "Alatsaho ao ankavanan'ny sambo kely àry ny haratonareo, fa hahazo inareo !" Mahagaga fa teny indraim-bava fotsiny no nataon'i Kristy dia nisy vokany ny asan'ireto mpianatra nefa izy efa azo lazaina hoe manana traikefa raha amin'ny fanaratoana. Izany tokoa ny fahefan'Andriamanitra, izy no mandidy ny zavatra rehetra fa tsy avy amin'ny herintsika na ny tanjatsika na ny fahaziantsika no hahombiazantsika fa avy aminy.

Koa manampy antsika àry ity fisehoana tantarain'i Masindahy Joany ity, indrindra amin'izao Paka izao, hahatsapana fa raha tsy miaraka amin'i Kristy nandresy, tafatsangana ho velona tokoa ny fiainantsika dia toa zava-poana ihany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...