Alahady 12 jona 2022 — Fankalazana manetriketrika ny Trinite Masina — Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 12-15

Evanjely manambara ny fiainana sy ny fifandraisan'ny Trinite Masina ity Evanjely ity. Nalahatry ny Fiangonana amin'izao alahady fankalazana ny Trinite Masina izao, Ilay Andriamanitra inoantsika. Izy ihany no nanambara izany tamintsika tamin'ny alalan'ireo Mpaminany, fa tanteraka kosa izany tamin'ny alalan'i Jesoa Kristy, olona faharoa ao amin'ny Trinite Masina. Tsy harin-tanantsika olombelona Andriamanitra na hoe foto-kevitra ajoro, fa Mistery : Andriamanitra tokana olona telo.

Ny litorjia ataontsika, fa indrindra ny vavaka hitsaohana sy hanomezam-boninahitra an'Andriamanitra no hahazoantsika io maha Mistery an'Andriamanitra io, fa indrindra koa hoe iza moa isika eo anatrehany. Araka ny nambaran'i Masindahy Ignace hoe : "Nohariana isika mba hidera sy hisaotra ary hanome voninahitra an'Andriamanitra, Ilay Nahary antsika". Izany hoe toetra maneho ny maha olona ny mivavaka sy manome voninahitra an'Andriamanitra.

Io vavaka io anefa tsy adidy atao fotsiny fa tokony hisy fiantraikany mandrakariva, indrindra amin'ny fiainana andavanandro. Izany hoe, tokony hitondra fiovana amin'ny fomba enti-mandray izay noharian'Andriamanitra, indrindra ny fomba entintsika miaina amin'ny maha olombelona antsika.

Araka izany àry dia, ny fifandraisana sy ny fiombonan'ny Trinite Masina no modelim-piainana ho an'ny endri-piaraha-monina rehetra : Fiombonana ao amin'ny fahasamihafana, amin'ny alalan'ny fanoloran-tena tanteraka ho an'ny hafa, izay tsy manimba na manetry ny maha izy azy ny tsirairay ao anatiny. Rehefa miharihary sy amim-pahatsorana tanteraka no enti-miara-monina sy mifandray dia lavorary ny fifandraisana sy ny fiombonam-piainana.

Mangataha amin'ny Trinite Masina, mba havaoziny ny fiainantsika manontolo. Ary hanahaka azy koa ny fifandraisantsika olombelona tsirairay avy, dia ho lavorary ny fiainantsika ary hiadam-pinaritra izao tontolo izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...