Talata 21 jona 2022 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 6. 12-14

Ny fitoriana ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fampianaran’i Jesoa dia mitondra antsika ho any amin’ny fahamasinana. Sarobidy ho antsika kristianina izany ka tsy tokony hohamaivanina sy hatao tsinontsinona. Ho an’ireo tsy mpino kosa dia mila mailo isika satria ireny no heverina fa amboa satria tsy mahalala ny maha masina ny fitoriana sy ny fampianarana izay atao. Ho antsika izay mino kosa dia tsy tokony hitompo teny fantatra, fa mila miezaka mandrakariva hatrany mba hanaja sy hitandrina ireo zava-masina ao amintsika.

Didy nomen’i Jesoa antsika ny hoe : "Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao". Io no faniriany mba hiainantsika. Ampitoviana amin’ny tena izany ny namana ka tsy tokony hankahalaina na hanaovana herisetra mihitsy fa ho tiavina. Tian’i Jesoa hiainantsika sy ho tanterahintsika ny voalaza ao amin’ny Lalàna sy ny Mpaminany,dia ny mitady ny hahatsara sy ny hahasoa ny hafa. Didim-pitiavana àry, araka izany, no tokony hifampitondrantsika araka ny teniny : "Mifankatiava ianareo toy ny nitiavako anareo" (Jn 13, 34). Izay indrindra no lalana hidirantsika any amin’ny tena fiainana izay hita fa sarotra satria mila manadino ny tena mba hitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. Raha mifanohitra an’izany kosa, ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, dia ny tsy miaina ny didim-pitiavana. Araka izany àry, dia ny fomba fiainantsika ny fitiavana no hitsaran’Andriamanitra antsika.

Tompo ô, tariho hatrany hankany amin’ny lalan’ny fiainana izahay na dia sarotra aza ny mamakivaky an’izany. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...