Sabotsy 25 jona 2022 — Ny Fo Madion'i Maria — Sambatra tokoa ianao, ry Maria Virjiny fa nitahiry ny Tenin'Andriamanitra ianao sy nandinika azy tao am-po — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 41-51

Mankalaza ny Fo Madion’i Maria ny Eglizy anio. Ilay fo fatra-pitia an’i Jesoa, ilay Mpamonjy antsika sy isika olombelona rehetra mihitsy. Ny Evanjely eto dia mitantara ny nahavery an’i Jesoa mandritry ny hateloana.

Roa ambin’ny folo taona i Jesoa teto, izay azo lazaina fa mbola kely nefa dia nanana ny fahamatorana sahady satria dia sahy niteny mahakasika ny Tenin’Andriamanitra teo anatrehan’ireo mpampiana-dalana. Tsy tokony hahagaga anefa izany satria ny tenin’ilay Andriamanitra Rainy no toriny. Anisan’ny asa nanirahan’ny Rainy Azy mantsy izany.

Nandritra izay anefa, dia tsy fantatr’i Maria sy i Josefa no nisy an’i Jesoa. Nampitaintaina sy nampalahelo azy ireo izany. Azo lazaina fa andro nanjombona ho azy ireo izany, satria tsy hitan’izy ireo ilay Zanak’Andriamanitra nankinina taminy. Rehefa hitan’izy ireo tao an-tempoly anefa i Jesoa ka nanontaniana dia tsy azon’izy ireo ny valinteny nolazainy. Tahaka izany koa isika, mety tsy hahazo eo no eo ny fampianaran’i Jesoa, fa mila mino Azy hatrany kosa sy miara-dalana Aminy toy ny nataon’i Maria reniny. Fo feno fahanginana tokoa mantsy no tokony hiatrehana ny zava-manahirana.

Fo Madion’i Maria : mivavaha ho anay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...