Alahady 3 jolay 2022 — Alahady fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo ! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny avo indrindra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 1-12. 17-20

"Matokia mitory ny Evanjely", izay no fotokevitra entin'ny Fiangonana amintsika amin'ity alahady tsotra fahefatra ambin'ny folo mandavantaona ity, ary nosintoniny avy amin'ny Vaovao Mahafaly nohenointsika teo. I Masindahy Lioka eto, dia mampiseho amintsika ny fomba fiasan'Andriamanitra, izay mifidy sy miantso olona mandrakariva, fa tsy miasa irery, ary mametraka ny fitokisany tanteraka amin'izay irahiny. Tsy ny roa ambin'ny folo lahy ihany àry, no nantsoiny sy nirahiny, fa nisy roa amby fitopolo lahy hafa koa, izay manambara fa ny olona rehetra dia sitrak'Andriamanitra hiara-hiasa aminy.

Tsy mora anefa ny asa anirahany, ary tsy afenin'i Kristy amin'izay irahiny izany hasarotry ny asa izany : "Toy ny zanak'ondry eo afovoan'ny amboadia". Mila toertra mahatoky izany ny fanatanterahana ny asan'Andriamanitra sady maika ihany koa ny fanatanterahana azy fa tsy ilaozana midororororo na variana amin'ny zavatra hafa. Noho izany, tsy hoe mampianatra tsy hahalala fomba akory i Kristy eto, raha niteny hoe : "aza miarahaba olona akory eny an-dalana", fa noho izay mahamaika ny asa fitoriana izay.

Tsy hitadiavana tombon-tsoa na voninahitra ihany koa ny asa anirahany, fa mitaky toe-po sy toe-panahy mahay manetry tena sy mila miaina ny fahantrana. Nefa kosa, i Kristy no manambara eto hoe : "Mendrika ny karamany ny mpiasa". Noho izany, tsy mahafaty antoka mihitsy ny manatanteraka ny asa anirahan'i Kristy, fa izy mihitsy no manome toky hoe : "Ny anaranareo voasoratra any an-danitra no hifalio". Koa moa ve tsy efa tombony avo zato heny izany voasoratra any an-danitra izany ?

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...