Alatsinainy 27 jona 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 18-22

Ry kristianina havana ! Somary mafimafy ny tenin’i Jesoa amin’ireto olona maniry ny hanara-dia Azy. Tsy sanatria akory "malailay fonosana toy ny landy" Izy ka sarotra iaraha-monina fa tsy te hanan-dratsy kosa, ka amin’izany dia sady mikendry ny fahalavorarian’ny asa nanirahan’Andriamanitra Azy, izay hotohizin’ireo rehetra manara-dia Azy, i Jesoa no mikatsaka ihany koa ny soa ho an’ilay olona. Isika rehetra vita batemy mantsy no antsoin’Andriamanitra sy irahiny ka miseho amin’ny endriny maro izany antso izany. Na isika no bitsihin’ny Fanahy Masina dia manolo-tena hanao ny asan’Andriamanitra, na Izy Kristy mihitsy no miangavy antsika mivantana. Eo anatrehan’izany antso sy iraka izany anefa dia maro koa ireo endri-javatra mbola manembatsembana antsika, toy izay hita ato amin’ny Evanjely androany. Tsy maintsy misedra ny sarotra mantsy isika eo anatrehan’izany lalana nofidiantsika hanara-dia an’i Jesoa izany ary tsy maintsy mamoy zavatra maro, eny fa na dia ny tiantsika indrindra aza. Inona àry no tena takian’i Jesoa amin’izany Izy tsy te hanan-dratsy izany ?

Angatahany amin’ireo rehetra te hanaraka Azy ny ho toa Azy, izany hoe : tokony ho ny endrim-piainan’i Jesoa ilay arahiny no ho endrim-piainany, dia ny tsy ho voafehifehin’ny zavatra ety an-tany ; na zavatra izany na olona, eny hatramin’izay farany tiana indrindra aza. Amin’ny fiteny hafa mahazatra antsika dia hoe : fandaozana ny zavatra rehetra, mba ho fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra tsy amin’ny fo voazarazara sy am-pahavononana hatramin’ny farafofon’aina no iorenana. Araka izany, io tenin’i Jesoa androany io koa dia entina hampieritreretana ireo maniry te hanara-dia Azy akaikikaiky kokoa mba hamantatra marina ny antony manosika azy hanara-dia an’i Kristy. Ny tena hanao ny sitrapon’Andriamanitra tokoa ve ? Sa sao sanatria fitadiavana toerana ambonimbony kokoa na ho toeram-pialokalofana ? Samy miezaka àry isika rehetra, hamantatra ny tena sitrapon’Andriamanitra marina, na Pretra na Relijiozy na Lahika ka hanatanteraka izany ao anatin’ny antso miantefa amintsika mba hahafahantsika mamaly am-pitiavana an’i Jesoa miangavy antsika hoe : "manaraha Ahy" ; ary mba tsy hamitahantsika azy eo anatrehen’izany antso izany.

Ry Jesoa Tomponay ô ! indraindray izahay maimay fo te hanaraka anao, indraindray koa anefa dia Ianao no miangavy anay ; koa ampio izahay hifikitra tanteraka Aminao ; enga anie ireo antsoinao ka manaraka Anao amin-kerimpo sy fitokiana mba ho tena hanahaka Anao tokoa. Amen !

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...