Talata 28 jona 2022 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Fanahy sy fiainana ny teninao, ry Tompo; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Matio 8, 23-27

Ry kristianina havana ! Mbola mitohy hatrany ny fanamafisan’ny Tenin’Andriamanitra ny tokony hananantsika finoana lalina, ary dia hamafisin’ny fahatokisana tanteraka an’Andriamanitra izany. Raha nametraka fepetra i Jesoa, araka ny Evanjely teo alohan’ity novakiana tamintsika teo ity, ho an’izay te hanaraka Azy na izay hiangaviany hanaraka Azy fa tsy mora ny manaraka Azy dia indro tokoa izao ny ampahany amin’ny sedra. Sedra ho an’ireto mpianany ireto hoe tena manana fahatokisana Azy sy finoana Azy tokoa ve ireto mpianany ireto.

Ny ranomasina sy ny tafio-drivotra moa dia endrika hisehoan’ny herin’ny ratsy sy ny herin’ny demony raha ny kolontsaina jody ka eo mihitsy no tena hitsapan’i Jesoa ny halalin’ny finoan’ireto mpianany ireto ary matetika koa isika no sendra sedra toy izany eo amin’ny fiainana ka mila ho kivy indraindray. Tsy maintsy asehon’i Jesoa an’ireto mpianany ireto tokoa mantsy ny mafy tsy maintsy sedrainy eo am-panarahan-dia azy fa tsy mora tokoa izany. Tsy azo eritreretina anie izany hoe onjan-drano misamboaravoara arahin’ny tafio-drivotra izany ve dia mbola hahita tory amin’izany ihany, fa fitsapan’i Jesoa ny mpianany sy ireo manara-dia azy mihitsy ny zava-niseho teny ambony ranomasina. Ny sambo alingilan’ny ranomasina mantsy dia endriky ny Fiangonana eo anivon’izao tontolo izao, izay misedra zavatra maro kanefa aoka ho tsapantsika mandrakariva fa i Kristy nanorina ny Fiangonana tamin’ny alalan’ireo Apôstôly, indrindra i Piera, vao Evanjely naroso omaly tamintsika teto izany ; dia nanamafy fa ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy. Ka na inona na inona mety ho endrika tafio-drivotra, na inona na inona mety ho endrika onjan-drano dia tsy ho rendrika na oviana na oviana ny Fiangonana, fa isika no mety ho rendrika raha toa kely ny finoantsika na tsy ampy, ka mila antsika handalina sy hanamafy ny finoantsika izany. Mazotoa àry isika, manamafy sy mandalina hatrany ny finoantsika ary aoka isika hatoky mandrakariva an’i Jesoa miantso sy mifidy ary maniraka antsika fa tsy manary antsika Izy eo anatrehan’ny mafy sy ny sarotra hatrehantsika.

Jesoa Tompo ô ! Olombelona ihany izahay ka manan-tahotra mandrakariva, toa ireo mpianatrao fahiny raha sendra ny sedra maro isan-karazany. Ampio izahay tsy hanary toky na oviana na oviana raha sendra ny zava-manahirana fa hametraka ny fitokisanay aminao. Amen !

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...