Sabotsy 16 jolay 2022 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 14-21

Ry kristianina havana, efa hitantsika tamin’ity herinandro ity ny fanamelohana nataon’ireo Farisianina tamin’i Jesoa momba ny fandikana ny andro sabata, nioty salohimbary ny mpianany tamin’izay fa noana. Androany indray i Jesoa ao amin’ny Sinagoga no nanasitrana lehilahy iray maty tanana tamin’ny andro sabata. Mazava ho azy fa tsy faly tamin’izany indray ny Farisianina ka tezitra ka nivoaka ny sinagoga ary nitady hevitra hahafaty Azy, ary nametraka fanontaniana tamin’i Jesoa izy ireo mba hiampangana azy : "Moa mety ve ny manasitrana amin’ny andro sabata ?" Inona ary no nataon’i Jesoa manoloana ity tranga ity ?

Niezaka i Jesoa nanazava mba hampisokatra ny saina sy ny fon’izy ireo mba hampibebaka azy ireo. Hoy i Jesoa, moa tsy ara-dalana ho anareo ve ny manavotra ondry iray latsaka anaty hady amin’ny andro sabata, ka tsy ambony noho ny ondry ve ny olona (Mt 12, 12). Hitantsika fa raha vao momba ny fanafahana ny olombelona dia omen’i Jesoa laharana voalohany. Tsy voafehin’ny fotoana sy ny toerana ary ny lalàna Izy raha vao mahakasika famonjena ny olombelona.

Rahefa avy nampandinika sy nanasitrana i Jesoa dia lasa nisintaka tao amin’ny Sinagoga ka narahina olona maro. Lasa nifindra toerana Izy. Niala Izy mba tsy hisian’ny herisetra izay ketrehin’ireto olona manohitra ny asa soa nataony ireto. Tanteraka ny voalazan’ny mpaminany : "Tsy hifanditra izy na hiantso mafy ary tsy handre ny feony eny an-dalana, tsy hanapaka ny volotara vaky izy na hamono lahin-jiro manentona". Nanohy ny fanasitranana ho an’ireto nanara-dia azy izy. Tsy natahotra Izy fa notohizany hatrany ny fanaovan-tsoa, ny fanasitranana fa kosa nandrara Izy mba tsy hanao izay hampahafantarana azy. Nirotsaka ho mpanompo izy ary nasehony ny antony nahatongavany tety an-tany, dia ny hiaraka amin’ireo mahantra, ireo maratran’ny fiainana, ireo marary, ireo tsy misy mpiahy. Tsy nitady voninahitra sy laza Izy ka tsy nitady hankalazaina sy dokam-barotra fa nanatontosa tamin’ny halemem-panahy ny asany amin’ny maha mpanompo azy.

Impiry isika no matahotra indraindray amin’ny fanoherana ataon’ny mpanenjika ka lasa tsy mahavita na inona na inona sao misaraka amin’ny fiaraha-monina, fa i Kristy kosa nahafoy ny ainy mihitsy ho fanavotana antsika. Tsy nitsahatra tamin’ny fanasoavana antsika olombelona izy. Toetra tsara ilaintsika ankehitriny ny fananana herim-po hanao soa, fa tsy sanatria hiraviravy tanana na hihemotra rehefa misy vato misakana. Ampy ny fananana ny feon’ny fieritreretana madio, mahitsy ary marina amin’ny fanatontosana izany. Esorintsika ny toe-tsaina lomorina, ory hava-manana, na ny fialonana amin’ny zava-bita ataon’ny hafa. Ataontsika lavitra ny toetra farisianina, fa hifanome tanana sy hifankahery amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona. Andeha ary isika hifanohana amin’ny tsara ary hifanampy amin’ny fisakanana ny ratsy. Hahavita zavatra tsara isika rahefa ny hery sy ny fahaizana ary ny fitiavana no avondron’ny kristianina ampiasainy hikarohana hanasoavana ny mpiara-belona.

Ry Ray ô, nanome voninahitra anao i Jesoa Kristy zanakao amin’ny fanatanterahana ny asa fanirahana nataony tety an-tany. Mba ataovy mahatsapa ny maha kristianina anay koa ireo mpiara-belona aminay ankehitriny ho fanehoana ny voninahitrao irery ihany. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...