Alatsinainy 18 jolay 2022 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 38-42

Ho an’ny hankamaroan’ny olona, ny famantarana sy ny fahagagana nataon’i Jesoa dia manampy azy ireo ho faly sy hankalaza an’Andriamanitra, fa ho an’ireto Farisianina sy mpanora-dalana kosa dia tsy mba izany satria tsy mety manaiky izy ireo hoe famantarana maneho ilay Andriamanitra tsy hita maso i Jesoa.

Amin’ity Evanjely ity anefa dia ireo Farisianina ireo indray no manao tamini Jesoa hoe mba te hahita famantarana avy aminao izahay ; tsy nanaiky io fangatahan’izy ireo io anefa i Jesoa satria efa tsinjony ny ao an-tsain’izy ireo, ary tsy hampiova na inona na inona amin’ny fiheveran’izy ireo ny fanaovan’i Jesoa an’izany. Mazava ny valintenin’i Jesoa tamin’izy ireo, raha tsy manampy anareo hino sy hibebaka ny fampianarana efa nataoko ka renareo koa ny fahagagana maro efa vita hatraiza hatraiza ireny, dia tsy hisy akony aminareo akory izay famantarana ataoko aminareo izao fa aleo ianareo miandry ny fotoana hahafatesako sy hitsanganako ho velona. Io no famantarana farany hanaporofoana fa avy amin’Andriamanitra izy.

Isika koa mazana mitady famantarana toy ireo Farisianina sy mpanora-dalana, ka aoka ho tsaroantsika fa tsy misy famantarana na fahagagana tanteraka raha tsy eo ny finoana. Io finoana io no mahatonga antsika hanatona an’Andriamanitra, hiandrandra fahasoavana isan’andro isan’andro avy aminy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...