Sabotsy 23 jolay 2022 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 24-30

Ny mpamboly dia mahatsapa mandrakariva fa tsy misy tanim-boly ka tsy hanirian’ny ahi-dratsy hatramin’izay ka hatramin’izao. Lasa ny saintsika fa avy aiza ny ratsy, ary nahoana no toa mahomby kokoa ny mpanao ratsy noho izay mitandrina ny lalàna. Mandra-pahatongan’ny voam-bary dia tsy voahavaka ny vary sy ny tsiparifary, ny voany no ahalalana ny hazo, hoy i Jesoa, kanefa koa hoy izy hoe avelao hiara-maniry, hiara-mitoetra eo izy roa ambara-piavin’ny fijinjana.

Ny ohatra noraisin’i Jesoa izao no manambara amintsika fa tsy zavatra ivelan’ny fiainantsika ny ratsy fa mahazo faka ao am-po aza sy eo amin’ny seha-piainan’ny mpiara-belona. Tsy ny hanesorana azy anefa no iantsoan’i Jesoa antsika, raràny aza izany, fa ny hananana faharetana sy haneho ny tena maha kristianina antsika hiavaka amin’ny ratsy.

Tsy Andriamanitra no mamafy ny ratsy fa ny fahavalo kanefa manentana izay rehetra mino izy mba hanana faharetana satria amin’ny fotoana fijinjana dia ny voa tsara ihany no hangonina any an-tsompitra. Tadidio koa anefa fa tsy valin’ny hatsaram-panahintsika ny fahasoavan’Andriamanitra fa setrin’ny fitiavan’Andriamanitra maimaim-poana. Koa herezo àry, aza manaiky ho resin’ny ratsy, hoy i Masindahy Paoly, fa reseo amin’ny soa ny ratsy (Rm 12, 21). Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...