Alarobia 27 jolay 2022 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 44-46

Ry kristianina havana, samy milaza ny Fanjakan’ny lanitra ireto fanoharana roa ireto, Fanjakan’ny lanitra izay sarobidy indrindra, tsy misy tahaka azy, ambony lavitra noho ny zavatra rehetra. Ka na inona na inona heverina ho zava-tsoa ananana, dia afoy izany, rehefa ny Fanjakan’ny lanitra no resaka. I Masindahy Paoly ao Fil 3, 4-9 dia manambara mihitsy fa nanana izay nitokiany toy ny fahaizany, ny hareny, ny finoana maha jody mafana fo azy fa nataoko fakofako ny zavatra rehetra, hoy izy, oharina amin’ny fahalalana an’i Jesoa Kristy. Safidy fototra ny ho kristianina fa sady fiainana eto an-tany no antoky ny mandrakizay.

Voajanahary amin’ny olombelona ny hoe mitady ny tsara hatrany. Ka na inona eo an-tanana dia afoy izay tsara hahazoana ny tsara kokoa. Tsy filana tombon-tsoa akory ny fivavahana fa fisehoan’ilay hetaheta an’Andriamanitra izany. Fampianaran’ny Ntaolo Malagasy rahateo ny hoe tsy miaraka azo ny fandriana mafana sy ny valala manatody. Safidy fototra ny dikan’izany : na Andriamanitra na zavtra hafa. Tsy faty antoka ny fandaozana ny zavatra rehetra noho i Jesoa Kristy, fa mahazo zato heny eto an-tany ary ny mandrakizay any an-koatra. Ho mafy orina anie ny safidintsika hahafoy ny zavatra rehetra ho an’i Kristy. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...