Zoma 29 jolay 2022 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 54-58

Tantarain’ny Evanjely anio ny farany nandehanan’i Jesoa tao Nazareta tananany. Nolavin’ny olona Izy satria tsy araka izay niheveran’ny olona azy. Ny Mesia nandrasan’ny olona manko dia mpajaka mahery, be voninahitra, otronina tafika tsy hay resena ; fa i Jesoa kosa zanaky ny mpandrafitra, tsotra, irery na otronina mpianatra vitsivitsy, tsy manaitra. Tapaka avy hatrany ny fifandraisana matetika rehefa ny fitsarana no mandeha alon’ny resaka. Rehefa ilay fetran’ny olona no hita sy fantatra mialoha dia tsy mihaino intsony satria toa tsy maharesy lahatra na ny fahalalana azy ivelany aza. Dia izany no nanjo an’i Jesoa tao an-tanànany : tsisy nihaino, tsy ninoan’ny olona ; ny mpaminany tsy masina an-taniny.

Tafintohina tamin’i Jesoa ny olona tao Nazareta. Rehefa mifanena amin’i Jesoa dia miharihary ny fahotan’ny olombelona ; miseho miaraka amin’izay koa ny safidin’ny olombelona sy ny fitsarana. Izay mibebaka ka manatona an’i Jesoa Kristy dia voavonjy ; izay miziriziry kosa dia hanana ny anjarany.

Tsy afaka nanao fahagagana i Jesoa noho ny tsy finoan’ny olona. Ny finoana manko no mahatanteraka ny fahagagana. Ankoatra izany dia izao hoe tsy afaka manao na inona na inona Andriamanitra rehefa tsy mino ny olona, rehefa tsy mangetaheta ny olona. Hangetaheta lalandava an’Andriamanitra anie isika, hisehoan’ny voninahiny. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...