Alatsinainy 1 aogositra 2022 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 13-21

Niangavy an’i Jesoa ireto mpianatra mba handrava ny vahoaka fa ny andro hariva ny sakafo ihany ko tsy misy satria any amin’ny tany efitra ry zareo. Amin’ny maha olombelona antsika dia sarotra ny mahazo valintenin’i Jesoa : "tsy tokony izy, fa omeo hanina". Ny any eo am-pelatanana anefa dia mofo dimy sy hazandrano roa. Ho ampy honin’ny olona marobe ve izany ? Nefa i Jesoa dia niangavy ny mpianara hitondra izany eo Aminy : "ento aty amiko izany." Avy eo dia notsofiny rano ireo ka nozarainy tamin’ny vahoaka ary nisy ambiny marobe.

Ny tanjon’i Jesoa eto dia hoe, miasa isika ary apetraka eo am-pelatanany izay kely ananantsika fa izy no hanova azy, hampitombo azy. Izy dia vonona hanampy antsika olombelona mandrakiriva rehefa matoky Azy isika. Isika dia mila miara-miasa amin’i Jesoa Kristy ny amin’ny famonjena antsika. Tsy miantso antsika hiraviravy tanana Izy fa maintso antsika hiara-miasa Aminy. Aza miasa irery fa miaraha Aminy mandrakariva. Ary an’isany teniny ny hoe "tsy mahavita na inona na inona ianareo raha tsy miaraka amiko. Na inona na inona ataontsika dia apetrao eo am-pelatanany am-pinoana, na mety ho fananana io na mety ho herin-tsaina, na mety asa fitoriana ny teniny io, fa izy no hanova izany raha toa ka miara-miasa Aminy amim-pitokina tokoa isika. Izy no hiandrandra lanitra ka hivavaka ho antsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...