Alakamisy 4 aogositra 2022 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-23

Manotany mpianany i Jesoa ahoana fiheveran’ny olona azy : "ataon’ny olona ho iza moa zanak’olona ?". Ka ny valinteny azo dia hoe mpaminany i Jesoa : Elia, Joany Batista, Jeremia. Mpaminany daholo ireo voalaza anarana ireo. Manaraka izany dia nitodika tamin’ny mpianany indray Izy : "fa ianareo kosa ataonareo ho iza aho ?" Ianao no Kristy zanak’Andriamanitra velona, hoy i Piera. Nino an’i Jesoa zanak’Andriamanitra velona i Piera ka nanankinany ny fiainan’ny Fionganonana : ianao no vato ary ambon’izany vato izany no hanorenako ny fiangonako. Finoana mafy orina, lalim-paka ny finoany, afaka mandresy ny ratsy.

Isika ihany koa, ny finoantsika an’i Jesoa Kristy dia tokony hitarika antsika hijoro ho vavolombelona fa i Jesoa dia velona eo amin’ny fiainantsika andavanandro. Noho izany ny fiainako, ny fiainanao dia fiainana maneho fa eo anivontsika Andriamanitra, aseho amin’ny alalan’ny fiombonana, firaisan-kina, fifanampiana, fiantrana ny sahirana. Izany no endriky ny Fiangonana naorin’i Jesoa Kristy. Ny Fiangonana dia fiombonana, ary izay miombona no afaka miady amin’ny ratsy. Mangataka ny herin’ny Fanahy Masina mba hanampy anay isan’andro, hahafahanay maneho amin’ny hafa ny finoanay Anao, fa ianao dia velona eo amin’ny fiainanay tokoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...