Zoma 5 aogositra 2022 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy mahalala Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 24-28

Raha misy te hanaraka ahy aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanraka ahy.  Mampitondra antsika ny hazofijaliana i Jesoa, ka Ny hazofijalina mavesatra hanasan’i Jesoa Kristy antitsika dia ny fahaizantsika mandà ny sitrapontsika ka hikatsaka hantanteraka ny sitrapon’Andriamanitra Ray. Tsy mora anefa ny mampandefitra ny sitrapontsika raha tsy hiainana ao anatin’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fitiavana ny famonjena ny fanahintsika sy ny an’ny hafa. Mampandefitra ny zavatra rehetra am-pitiavana tokoa isika raha te hivelona ny sitrapon’Andriamanitra, mandefitra amin’ny fahafinaretana mandalo. Tandremo ny fametrahana ny zavatry ny tany ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainantsika ka manadino an’Andriamanitra, na mety ho variana fotsiny amin’ny fitiavan-tena ka manadino ny manodidina.

Nohamafisin’i Jesoa taminy teniny teo àry, fa izay mahatanteraka ireo fanomanana ampanaovin’i Jesoa : "izay rehetra te hanara-dia Azy, aoka izy handa ny tenany, aoka izy hitondra ny hazofijaliana", izay manao ireo amim-pitiavana no hahazo ilay anjara tsara efa voavoatra, dia ny fiainana mandrakizay. Angataho mandrakariva ao anatiny vavaka àry ny fahasoavany mba hanampy antsika hanala ireo ratsy rehetra tsy manampy antsika hiaina ny teniny ka hahafahantsika ihany koa mampitsimoka ny tsara rehetra ao anatintsika ka hizotra marina amin’ny fanatanterahana sitrapon’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...