Alatsinainy 15 aogositra 2022 — Ny nampakarana an'i Masina Maria any an-danitra — Nampiakarina any an-danitra i Maria, ka mifaly ny tafiky ny Anjely — Evanjely Masina nsoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56

Mankalaza ny nampakarana an’i Masina any an-danitra ny Fiangonana anio ka ny Evanjelin’i Masindahy Lioka mahakasika ny famangian’i Masina Maria an’i Elizabeta no sakafom-panahintsika anio.

Mampahatsiahy antsika ny lanjan’ny famangiana havana, tapaka sy namana ny Evanjely anio. Fombantsika Malagasy ny mifamangy ka tsy diso anjara amin’izany isika kristianina. Indrisy anefa fa mitady ho latsa-danja izany ankeihitriny noho ny fisondrotan’ny vidim-pianana sy noho ny fisian’ity valan’aretina Covid-19 ity. Naneho ny fahavononany i Masina Maria ary naneho fitiavana araka ny lazain’ny ohabolan-drazantsika hoe : "Izay mahavangivangy tian-kavana".

Matetika mitondra voan-dàlana ny mpamangy, mitondra ny tsirambin’ny tànana. I Masina Maria kosa, nitondra an’i Jesoa, nitondra ilay Vaovao Mahafaly izay hiteraka hafaliana ho an’i Elizabeta sy i Joany Batista mbola ao am-bohoka. Asaina noho izany isika mba hitondra an’i Kristy na aiza na aiza toerana, na iza na iza olona vangiantsika. Enga anie ka tsy hohadinointsika i Jesoa Kristy amin’ireo voan-dàlana vimbinintsika ho an’ny tapaka sy namana ary ny havana vangiantsika manomboka izao.

Tsy vitan’ny hoe nitondra an’i Jesoa ihany i Masina Maria fa niantsa ho an’Andriamanitra, izany hoe naneho tamin’ireto olona novangiany ny fankasitrahany, amim-panetren-tena, ny halehibe sy ny hatsarampon’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...