Talata 23 aogositra 2022 — Herinandro faha iraika amby roapolo mandavantaona — Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 23-26

Tsara ho fantatra fa ny solila sy ny aneta na fenouille samy misy aty amintsika ary ny komina dia zava-maniry any akaikin’i Ejipta any, samy hanaovana ranomanitra ka somary lafo vidy kanefa tsy maintsy aloha ny ampahafolon’ny vidin’ireny. Fa misy ambony kokoa izay tsy raharahiana akory ka vakian’i Jesoa bantsilana eto "dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana". Izany hoe ny fifandraisantsika amin’ny manodidina sy Andriamanitra, tsy misy azo atao antsirambina na kinanga ka mahaiza isika mandanjalanja.

Ny Rariny : Mandala ny rariny sy ny hitsiny ve isika ? Manao izay hisian’izany ? Sa isika indray no mpanakorontana sy mpanenjika ary mpanome tsiny lava amin’izay atao ? Sao lahy isika no fototry ny tsy fandriam-pahalemana sy ny ady ary ny zava-mamohehitra rehetra eo amintsika ?

Ny Famindram-po : io no tena isehoan’ny fitiavana tahaka ny an’Andriamanitra. Ka sao koa isika manana fo lentika, saro-po, sarotra ihavanana, tsy mahay mamela na mamindra fo fa mpiandry kendry tohina…

Ny Finoana : anehoana ny firaiketam-pontsika amin’Andriamanitra izany ka mafy orina sa maivan-danja ? Sao maniditsidina fotsiny na enti-pahazarana sy enti-paharazana fotsiny ihany ny finoantsika ? Sao mora mivadibadika na miova loko toa tana isika na mifindrafindra toa lolo na tantely mitady mamy ?

Anjarantsika ny misaintsaina satria misy sarotiny amin’ny zavatra madinika fa manao baranahany amin’ny vaventy, tsy mandraharaha. Na koa hoe variana amin’ny zavatra madinidinika ka hadino ny zava-dehibe. Samy tsy tokony hisy avela hoy i Jesoa. Aza variana amin’ny ampahafolom-pananana fa aoka hitandro ny rariny sy ho be indra fo ary miaina ny finoana isika rehetra.

Fanampin’izany, aoka tsy ny ivelany hitan’ny olona ihany no mahamaika ho mody diovina na atao tsaratsara fa ny ao anatiny "feno halatra sy tsy fahononana". Fa tokony hiainga avy ao anaty mihitsy ka ny ety ivelany hanehoana izany ; raha tsy izany tena mpihatsaravelatsihy ara-bakiteny isika, toy ny lazain’i Jesoa eto. Ny tena manontolo no kristianina fa tsy ny ivelany fotsiny. Manisy marika tsy maty vonoina ny fanahy mantsy ny menaka nanosorana antsika tamn’ny Batemy. Mazava ny lazain’i Jesoa : "Ry Farisianina jamba, diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony." Alao hery àry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...