Sabotsy 27 aogositra 2022 — Herinandro faha iraika amby roapolo mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 14-30

Mpanompon’Andriamanitra isika, nametrahany ny fananany ka tsy hitahiry izany fotsiny fa hampiasa sy hampitombo izany ka hampamokatra azy. Toa mpiandry omby volavita isika amin’izany ka tsy tompony fa mpamerin-doha. Atokisany matoa nametrahany izany. Fa isika no toa fetsifetsy, mamadika izany fitokisany antsika izany ; noho ny fitiavan-tenantsika diso tafahoatra. Izao koa anefa : tsy mitovy ny fananany navelany tamintsika fa araka izay tiany itsinjarana azy. Koa samy manana ny azy isika. Ho avy anefa ny fotoana hiverenan’ny Tompon’izany fananana izany, izay tsy fantatra na ho ela na ho haingana, fa tsy maintsy mivonona isika fa amin’izay no fotoana hampamoahana antsika izay nitantanantsika io fananana navela tamintsika io. Tian’ny Tompony mantsy raha mba namokatra ilay izy fa tsy nalevina na nampirinina tany fotsiny. Haintsika tsara ny hoe mampitombo talenta fa tsy mandevin-talenta. Vola izy io tany am-piandohana fa lasa niova ho ireo fanomezam-pahasoavana omen’Andriamanitra antsika taty aoriana. Na izany aza tsy manova ny tian-kambara izany.

Mazava ny hoe tsy antsika izy ireny fa misy tompony ka tsy maintsy averina aminy izay azy, tsy amin’izao fotsiny fa rehefa avy nampamokarina sy nampitomboina. Ka haintsika ve ny mampitombo azy ireny sa sanatria ny kely an-tanana aza, araka ny ohatra henontsika teo, mbola alàna amintsika. Fa fantarina mialohan’izany izay talenta ao amintsika tsirairay ao. Tsy misy afaka hiteny hoe tsy manana talenta fa ny isany no tsy mitovy ka mety ho maro izany na vitsy ka tsy izany no zava-dehibe fa ny fampitomboana azy. Tsy maintsy mikaroka hevitra ampitomboana azy. Koa tsy mety ny mipetrapetra-potsiny amin’izao. Adidintsika kristianina izany. Izay manam-be mantsy mbola ampiana hatrany ny fananany. Loza ny manjo izay mpanompo ratsy sy kamo ary tsy vanon-ko inona, toa an’ilay nandevina ny talentany tany ambany tany fa sady nesorina taminy izay kely ananany ka nomena izay nanam-be ary izy nariana any amin’ny maizina any : any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Ka tena atambo no niafarany. Aza mba tratran’izany ihany ! Meteza isika ho mpanompo tsara e !

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...