Alakamisy 1 septambra 2022 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 1-11

Misy teboka telo, tsoahina ho fiainana ny Tenin’Andriamanitra ho antsika amin'ity Evanjely teo ity :

Ny nanjo an-dry Piera sy ny namany, niasa nandritra ny alina nefa tsy nahazo na inona na inona. Fa noho ny tenin'i Kristy dia nahazo hazandrano maro. Manam-petra isika olombelona ary raha tsy omban’Andriamanitra dia tsy hahita fahombiazana na oviana na oviana. Mila mihaino mandrakariva an'i Kristy isika raha te hamokatra, mila manaraka ny teniny, tsy hihambo mahavita tena fa hiantehitra amin’ny heriny. Jereo ny nanjo an-dry Piera fa na dia za-draharaha sy matihanina aza, tsy nahita izay notadiavina. Toy izany koa ny fiainantsika, tsy havita na inona na inona raha tsy omban’Andriamanitra ny tso-dranony.

Ny toetrantsika olombelona manoloana an’Andriamanitra, indrindra fa izay nataony tamintsika. Manoloana ny zava-mahagaga tanteraka noho ny tenin'i Kristy no nanehoan'i Piera ny maha mpanota azy. Mpanota tsy mendrika ny homena izay tadiavina akory. Firifiry isika no mpanota kanefa soavin’Andriamanitra mandrakariva, omeny fahasoavana… Marika izany fa tia antsika Andriamanitra, tsy manavakavaka Izy. Tsy isika no mendrika fa noho ny fitiavany. Tian’Andriamanitra hatsapa ny fitiavany isika mba ho afaka hitia toa Azy. Ary izay ilay iraka vaovao niantsoana an'i Piera, ho mpanarato olona.

Tsy ho afa-manefa ny iraka isika raha tsy mahafoy ny zavatra ary misafidy an’Andriamanitra. Fihetsika feno fahavononana tanteraka no nataon'i Piera sy ny namany, namoy ny zavatra rehetra, eny fa na dia ny trondro vao azo izay nisasarany nandritra ny alina aza, hatramin’ny fitaovana enti-manarato, ary amin’ny Evanjely hafa moa dia hatramin’ny Rainy niteraka azy ireo dia nilaozany avokoa, fa naleony nanaraka an'i Kristy. Ambony lavitra noho ny trondro vao i Kristy, ambony noho ireto nisasarana, ho an'i Piera sy ny namany, matoa tsy am-pisalasalana no naneken’izy ireo hanara-dia Azy. Ary isika mba ahoana : aza atakalo na soloina zavatra hafa ilay Andriamanitra fatra-pitia antsika.

Takiana indrindra ho an'ireo manana andraikitra ao amin’ny Fiangonana io nataon'i Piera io, "nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka an'i Jesoa", fa toe-panahy takiana ihany koa ho an'izay manara-dia an'i Kristy. Raha mankato Azy tanteraka isika sy matoky ny fitiavany dia hisafidy Azy ary tsy handao Azy na oviana na oviana. Ary hahefabe amin'izay hanirahana antsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...