Alahady 2 ôktôbra 2022 — Alahady Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 5-10

Ny mpianatra, ireo izay nanara-dia an’i Jesoa, nihaino ny teniny sy ny fampianarany, ireo no nagataka mba hampitomboina ny finoany.

I Jesoa anefa eto tsy namaly nivantanana hoe hampitombo ny finoan’izy ireo na tsia fa hita taratra tamin’ny valin-teniny fa tsy ny fampitomboana ny finoana loatra no tokony himasoana fa zavatra hafa no maika kokoa satria na dia kely tahaka ny voatsinampy aza ny finona dia efa ampy hanaovana fahagagana sy hanaovana zavatra maro. Tsy ampy finoana no notsinian’i Jesoa fa tsy ny tsy fananam-pinoana mihitsy, tsy ny fampitombona ny finoana no tokony himasoana voaloany fa ny hampitsimoka ka hahatahiry ny finoana efa noraisintsika. Tamin’ny batemy isika no efa nandray io finoana io. Toy ny voa nafafy tao am-pontsika, ka voatahiry ve ? Sa sanatria efa levona sy maty na ko mbola voatahiry ihany saingy tsy niova, tsy nitsimoka sy tsy nitombo ?

Mila tsaroana mandrakariva ny tenin’i Masindahy Jakoba hoe : tsy mahavonjy ny finoana tsy arahan’asa. Ny finoana no ahafahantsika mahita ny sitrapon’Andriamanitra ka ny fanekena ny didiny dia lalana mitondra amin’ny fahasambarana mandrakizay. Ho haintsika hatrany hatrany anie ny hamelombelona ny fanomezam-pahasoavana noraisintsika ka hitehirizantsika ny finoana mba hamokarany ho voninahitr’Andriamanitra.

Omeo finoana izahay ry Jesoa, hakahery anay ahafahanay mandresy ny sarotra dia ny fakampanahy sy ny fahotana ary ny fanangolena hataon’ny satana. Arovy izahay tsy hivaona amin’ny finoana. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...