Alarobia 5 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 1-4

Hitantsika amin’ny Evanjely eto ny fampianaran’i Jesoa izay tsy milaza fotsiny fa tena ohatra velona harahantsika. Izy mivavaka tao amin’ny toerana iray.

Nangatahan’ny mpianatra mivantana tamin’i Jesoa ny mba hampianatra azy ireo mivavaka, fantatr’izy ireo tsara mantsy fa fahasoavana ny velomin’ny hanina avy amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra ; mamelona ny olona amin’ny teniny sy ny tenany Andriamanitra.

Mila angatahana aminy ny fiainanao, mila angatahana aminy fiainan’ny olona rehetra. Fiombonana ao amin’Andriamanitra ny fivavahana ary izany fiombonana izany dia manjary fiombonana amin’ny hafa, dia ny zanak’Andriamanitra rehetra tsy ankanavaka, ny olombelona rehetra, ireo no mila tarihana ho ao amin’ny tranon’ny Ray, ilay nolazain’i Jesoa manao hoe : "misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Raiko" ; tsy mialon-jafy no dikan’izany, kanefa tsy hidiram-pentina ihany koa.

Angatahana amin’Andriamanitra satria mbola tsy feno, mbola tsy lavorary. Ny lavorary dia i Jesoa Kristy. Tsy zavatra mbola handrasana no hangatahantsika fa izay efa notanterahan’izy Ray ao amin’ny Teniny tonga nofo dia i Jesoa Kristy, anjarantsika ny manokatra ny fontsika ho azy, ary manandratra ny tanana madio tsy amim-pahatezerana (1 Tim 2, 8).

Ny vavaka dia taratry ny fiainana ka ny mivavaka dia fianarana miaina. I Jesoa no tena mampianatra antsika mivavaka araka ny nolazainy tamin’ireo Apôstôly, hodinihantsika ny vavaka nampianarin’ny Tompo antsika iny. "Rainay any an-danitra", mba ho tena Raintsika Andriamanitra dia mila mitondra tena toy ny zanaka isika. Ny zavatry ny lanitra indrindra no himasoan’ny zanak’Andriamanitra sy himatimatesany, manaraka izany amin’izay rehetra atao dia tsy ny tena na ny anarana manokana no homem-boninahitra fa ny anaran’Andriamanitra.. "Hohamasinina anie ny anaranao". Mahay manavaka ny zavatry ny tany sy ny fanjakan’ny lanitra "ho tonga anie ny fanjakanao". Ny tena kristianina ihany koa dia vonona hanaiky raha sendra ny mafy ary mivaky loha manolona ny fahorian’ny hafa (noana, bado sy tsy ampy fivelomana)… "Omeo any anio ny haninay isan’andro", haninay izay midika fa olona maro.

Ankoatra izay dia tsy mitana an-dolom-po sy vonona hiady hanohitra ny ratsy "Avelao ny fahotanay tahaka ny hamelanay izay nanao ratsy taminay", antsoin’Andriamanitra hamindra fo isika, antsoiny hitia. Sambatra ny madio fo fa hahita an’Andriamanitra izy.

Hitoetra mandrakariva ao am-ponay anie ny fampianaranao ry Jesoa, hanome hery anay sy hitari-dalana anay eny am-pamakivakiana ny an-davanadrom-piainanay eny. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...