Talata 11 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 37-41

Miantrano sy misakafo ao amin’ny Farisianiana iray i Jesoa. Ahitsin’ny Evanjely eto ny saintsika hoe tsy mpifahavalo amin’ny Farisianiana akory i Jesoa na dia tsy mitovy hevitra matetika aza ; tsy manana olon-kala izy Tompo. Porofon’izany, io i Jesoa miara-misakafo amin’ny Farisianina satria mendrika hovonjena ny olona rehetra na dia ireo mandà aza.

Notsikerain’ilay Farisianina i Jesoa fa nisakafo tsy nanasa tanana. Satria saro-pady ny sakafo fa antoky ny aina dia mila madio, ary didin’ny lalàna mihitsy izany fisasana alohan’ny sakafo izany. Dia io lalàna tsy voahaja io no mahasarotiny ilay Farisianina.

Tsy manohitra ny fahadiovana akory i Jesoa na hoe fitia te handika lalàna fotsiny fa te hampifanaraka ny teny sy ny finoana amin’ny fiainana an-davanandro. Mijanona ho mpanara-maso sy mpamoaka didy fotsiny ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna ; ary mandika vilana aza hikendreny ny tombon-tsoany ; manararaotra ny fahalemen’ny vahoaka madinika sy manampatra fahefana. Miseho tsara sy mpanara-dalàna eto ivelany fotsiny… Ny tanjon’ny lalàna dia ny famonjena.

Isan’ny ahitsin’i Jesoa koa dia isika izay mialokaloka fotsiny ao ambany fivavahana : ny maha kristianina tsy hoe fanarahana ireo fombafomba, na fitanisana ny lisitry ny sakramenta noraisina fa fiainana, toe-piainana, teny ombana asa. Finoana aseho amin’ny fitiavana no famonjena. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...