Alakamisy 13 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 47-54

Ry havana ; miseho lany ny ady hevitra mafana amin’i Jesoa sy ny mpanao lalàna izay nanavesatra ny olona amin’ireo pitsopitson-dalàna sy lovantsofina. Ireto manam-pahefana ireto ihany anefa no ifatrarana sy adinina amin’ireo olona voaheloka tsy an-drariny hatramin’izay, nanomboka tamin’i Abela. Novonoina moa ireny mpaminany ireny satria sahy namotsipotsitra ny hadisoan’ireo lehibe sy ny mpitondra ary lalàna diso no nanameloka ireny mpaminany ireny. Dia mbola mitohy hatramin’ny andron’i Jesoa izay nohelohin’ny fitsarana satria sahy nitsipaka izay lalàna namoritra ny olona tsy ho afaka.

Any amin’ny andininy hafa amin’ny Evanjely i Jesoa dia milaza hoe tsy tonga handrava ny lalàna fa hanatanteraka. Inona ilay hoe manatanteraka ? dia ny hoe manazava ny anton’ny lalàna sy ny tanjona dia ny famonjena olona. Nanitsy izay nadika vilana ary indrindra nanome ny dikany vaovao dia ny didim-pitiavana. Tsy hanampy trotraka ny vesatry ny olona anie isika, tsy ho sanatria tevan-kamono fa ho lala-masaka azo diavina hahatongavana eo amin’i Jesoa. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...