Alatsinainy 17 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 13-21

Raha halaina aminao fanahinao, ho an’iza ary izay novorinao ? Io fanontaniana napetrak’Andriamanitra tamin’ity lehilahy mpanankarena anankiray eto amin’ny Evanjely ity. Mipetraka amintsika tsirairay avy ihany ko izany fanontaniana izany. Ka ny mety ho valinten’ny maro amintsika dia ny hoe : manangona aho mba holovain’ny taranako rahatrizay. Efa valinteny mifono fahendrena vokatry ny fandraisana sy fiainana ny tenin’Andriamanitra izany, satria efa maneho ny fisokafan’ny fontsika hitsinjo sy hitia ny hafa. Araka fampianaran’i Jesoa dia ny lalàna voalohany indrindra mantsy dia ny fitiavana ny hafa. Ny fisokafan’ny fontsika hizara izay mety mba kely vita. Izay fitodihana amin’ny hafa izay no tsy ampy amin’ity lehilahy mpanankarena notenenin’i Jesoa tamin’ny fanoharana teo ity. Tsy mba nanokatra ny fony hijery ny hafa akory. Nifikitra tamin’ny harena mandalo ka niaina tao anaty fitiavan-tena tanteraka izy, nihevitra ny hampiadana ny tenany samy irery amin’ny harena ka tsy mihevitra ny hafa na oviana na oviana. Ka mazava ny hafatra tian’i Jesoa hampitaina amintsika androany, fa ny olona manangon-karena ho an’ny tenany ihany dia mivelona amin’ny fitiavan-tena ; fa ny olona mihary eo amin’Andriamanitra kosa dia manokatra ny fony hijery ny hafa, hanampy ny hafa, hangoraka ny hafa. Koa mifampivavaha hatrany isika hivelona mandrakariva ao antiny fifampitsinjovana sy fifankatiavana marina araka fanirian’Andriamanitra amintsika olombelona.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...