Talata 18 ôktôbra 2022 — Masindahy Lioka, evanjelistra — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao mba handehananareo sy hahavokaranareo ary hampaharitra ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 1-9

Naniraka ny mpianany tsiroaroa i Jesoa hitory ny vaovao famonjena ny olombelona. Ny fandehanana tsiroaroa dia maneho amintsika fa ny fitoriana ny tenin’Andraimanitra dia asan’ny Fiangonana. Ka eto i Jesoa dia te hanasa antsika rehetra mba hiasa miaraka ary hahay miara-miasa amin’ny fanitarana fanjakan’Andriamanitra.

Henontsika teo fa rehefa naniraka ireto mpianatra i Jesoa dia nanome azy ireo toromarika. Ny voalohany dia nanafatrafatra i Jesoa fa ny asa fanitarana ny fanajakan’Andriamanitra dia tokony hatao amin-kalemempanahy : "mandehana, indro aho maniraka anareo tahaka zanak’ondry eo afovoan’ny ambodia". Tsy terena ny olona handray ny fampianarana ny Vaovao Mahafaly sy hino fampianaran’ny mpianatra, fa omena fahafahana malaka ny olona handray na tsy handray ny tenin’Andriamanitra. Ny toromarika faharoa dia ny tsy fifikirana amin’ny haren’ny tany : "aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro, ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana" ; ny zavatra tokony himatimatesan’ny mpianatra voalohany indrindra dia ny fampitana ny tenin’Andrimanitra. Izay no voalohan-daharana. Ny fizarana ny teniny no voalohan-draharaha rehefa hadeha hanao ny iraka hanasany antsika : "Katsao aloha fanajakan’Andriamanitra dia omena anao fanampiny sisa". Rehefa matoky azy izy ka vonona hizara ny teniny ; dia Andriamanitra manome fahasoavana izay ilaintsika. Izay matoky azy dia Andriamanitra tsy mivadika fa mampanantena ny tena fiainana ho antsika mandrakariva.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...