Alarobia 19 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 39-48

"Fantaro tsara fa raha fantatry ny tompon-trano ny ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy." Isika kristianina rehetra dia samy miandry ny fiavian’i Kristy am-boninahitra ary samy tsy mahalala ny fotoana hahatongavany. Ary na dia ireo kristianina tany am-boalohany aza dia nivavaka mba ho tonga malaky izay fiavian’ny Kristy izay : "Avia ry Jesoa Tompo" (1 Kor 16, 22).

Samy tsy mahafantatra ny fiavian’i Kristy isika fa ny inoantsika fotsiny dia ny hoe ho avy Izy. Koa eo am-piandrasana azy dia nanome torolalana izy hoe : "miambena", izany hoe mivavaha ary mahareta mba ho tratrany miambina isika. Ka noho izany isika mpianatr’i Kristy rehtra no nasainy ho vonona handray azy amin’ny fotoana rehetra araka ny voalazan’ny bokin’ny Ap. 3, 20 : "koa tsarovy ny fampianarana noraisinao sy nohenoinao, dia tano izany, ka mibebaha. Fa raha tsy miambina ianao dia ho avy toy ny mpangalatra aho ka tsy fantatrao izay ora hihaviako ao aminao." Ny Fiangonana rehetra no voantso hiambina, hiandry ny fiavian’i Kristy. Ary izany indrindra no hangatahana ny fahasoavan’Andriamanitra isan’andro mba ho mpanompo tratran’ny tompony miambina isika miankavy. Ary farany, araka ny fangatahan’i Kristy dia aoka ireo tompon’andraikitra rehetra mba hanampy vahoakan’Andriamanitra ho amin’izany fiambenana izany. Ny fanirian’i Kristy tao amin’ny Evanjely teo dia ny hoe ny mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry dia tokony hanome sakafo ny mpanompony ara-potoana, vonona hiahy ny mpanompony amin’ny fotoana rehetra, ary ho sambatra izany mpanompo izany raha tratran’ny tompony manao tahaka izany. Jesoa Tompo ô, mba ampio izay kristianina rehetra mba ho mpanompo mahatoky sy hendry tokoa eo am-panatanterahana ny asanay isan’andro.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...