Talata 15 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 1-10

Tantara tsy zoviana amintsika ity tantaran'i Zake nambara teo ity, tantara manoro sy mampahatsiahy ny zava-dehibe sy ambony indrindra tokony ho katsahina eo amin’ny fiainana sy ny fomba enti-mikatsaka azy. Fa na dia tao anatin’ny asa sy ny harena aza i Zake, dia nahatsapa fa misy banga ny fiainany, misy mampangetaheta azy mandrakariva, tsy iza akory izany fa i Jesoa, Andriamanitra tonga eo anivontsika, Andriamanitra tonga hamonjy antsika.

Henontsika teo fa i Jesoa niantrano tao aminy no nameno ny hafaliany, nahasafononoka ny fahasambarany. Mampadinika anstika eto amin’ity fiainana ity hoe : inona no katsahintsika voalohany, omentsika lanja ? Ka tadiavintsika amin’ny fomba rehetra. Toy nataon'i Zake ? Ary rahefa tafahaona amin'i Jesoa isika, mahatsapa ny fitiavany ve ? Ka hiova famindra, tsy hijery ny tena samirery fa hiezaka hanasoa ny hafa ? Diniho i Zake : ilay fatra mpametsifetsy, mpanambaka, mpanararaotra sy iray tsikombakomba amin’ny ratsy, nanjary mapanao soa ny mahantra. Nanomboka fiainam-baovao, feno fitiavana an’Andriamanitra, ilay fototry ny tena fahasambarana sy fitiavana ny mahantra.

Aza variana amin’ny fitadiavana sy ny fiainana fotsiny e! fa katsaho Andriamanitra. Ary aza manary tena amin’ny zava-mandalo, toy ny vola sy harena fa mpandova an’Andriamanitra isika nandray ny finoana. Ary asio akony eo amin’ny hafa sy ny manodidina ny fitiavan’Andriamanitra antsika.

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...