Alakamisy 8 desambra 2022 — Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka — Fankalazana manetriketrika — Arahaba, ry Maria feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38

Tamin’izany andro izany,
dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely
ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea
atao hoe Nazareta,
ho any amin’ny Virjiny anankiray
fofom-badin’ilay lehilahy atao hoe Jôsefa,
ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria.
Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe:

“Arahaba, ry ilay feno hasoavana; ny Tompo ao aminao;
nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao.”

Taitra izy nahare izany,
ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany.
Fa hoy ny Anjely taminy:

“Aza matahotra, ry Maria,
fa sitrak’Andriamanitra ianao.
Ary indro, hitoe-jaza ianao,
ka hiteraka Zazalahy,
ary Jesoa no hataonao Anarany.
Ho lehibe Izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra:
dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy,
ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba,
ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.”

Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely:

“Ahoana no hahatongavan’izany,
fa tsy mahalala lahy aho?”

Hoy ny Anjely namaly azy:

“Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao,
ary ny herin’ny Avo indrindra no hanaloka anao;
noho izany dia hatao hoe
Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.
Ary indro i Elizabeta rahavavinao
dia efa mitoe-jaza koa na dia efa antitra aza,
ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba,
fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao.”

Dia hoy i Maria:

“Inty aho ankizivavin’ny Tompo,
aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao.”

Dia niala teo aminy ny Anjely.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...