Sabotsy 24 desambra 2022 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Mpanjakan’ny firenena rehetra, avia ary vonjeo ny olona izay noforoninao tamin’ny vovotany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 67-79

Ry havako, miankina amin’ny fiomanana ny halalin’ny hafaliana. I Joany Batista no tonga hanomana ny fiavian’ i Mesia, izy no ilay Elia ho avy, hanambara amin’ny olona ny tena famonjena, dia ny famelana ny hadisoana sy ny heloka natao, ka tsy isika no hanamboatra trano honenan’Andriamanitra, fa Izy Andriamanitra ihany no efa hanomana lanitra hivondronantsika mba hidera ny voninahiny.

Ny tononkira nodidian’ny Fiangonana ho fanombohana ny andro amin’ny vavaka maraina, dia manampy antsika hiaina ny tena maha zanaka, araka ny fandaharan’Andriamanitra ka ahafahantsika miara–dia makany amin’ny lalam-piadanana, any amin’ilay Mpamonjy antsika. Masoandrao miposaka avy any ambony izy ka tsy milentika mandrakizay.

Faingana ry Jesoa Tompo, aza tara ny fahatongavanao. Hitondra fiononana sy fanantenana ho an’izay matoky ny fitiavanao be indrafo.
Avia ry fanahy Mpahary, vangio ny fanahin’ny olonao, fenoy ny fahasoavanao Masina ny fonay izay noforoninao.
Ianao no mpizara ny fanomezana fito, rantsantanan’Andriamanitra mahery, ianao no nampanantenain’ny Ray, mpitari-dalana ny molotray hanambara ny tena marina.
Tsilovy amin’ny fahazavanao ny sainay, areheto amin’ny fitiavanao ny fonay, tohano amin’ny herinao ny vatanay fa osa sy malemy izahay.
Atoseho lavitra anay ny fahavalo, omeo faingana re ny fiadanana ary tariho làlana koa izahay tsy ho voan’ny loza mananontanona anay.
Ampianaro ahalala ny Ray izahay, atoroy hahafantatra anao Zanaka, ary ataovy mino mandrakariva fa Andriamanitra avy amin’ny Ray sy ny Zanaka ianao. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...