Alatsinainy 26 desambra 2022 — Masindahy Étienne, Martiry voalohany — Fety — Hisaorana anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo ; ny Tompo Andriamanitra Mpanazava antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 17-22

Ry havana, mbola anatin’ny havaloanandro amin’ny fankalazana ny nahaterahan’ny Mpamonjy isika anio. Hafaliana no entin’ny Fankalazana ny Noely. Tsy tonga ho an’ny tenany tety an-tany i Jesoa, fa iraky ny Ray Izy ary manatanteraka izay nanirahany Azy. Samy manana ny fandraisany azy anefa ny olona. Misy ireo nandray an’i Jesoa sy ny fampianarany, fa teo koa ireo izay tsy nandray Azy. Noho izay tsy fandraisan’ny olona sasany Azy sy ny fampianarany izay indrindra no nampitandreman’i Jesoa ireo mpianany satria tsy maintsy ho tojo sedra ihany koa izy ireo noho ny amin’i Jesoa.

Rehefa matoky sy miraiki-po amin’Andriamanitra, dia tsy hanana ahiahy manoloana ny zava-tsarotra sedraina amin’ny fiainana. Tsy avelan’Andriamanitra ho irery isika rehefa miankina aminy tanteraka. Izany indrindra no nilazan’i Jesoa eto fa ny Fanahin’ny Ray no hiteny ao amin’ny mpiainany. Io Fanahy Masina io indrindra koa no tao amin’i Jesoa ka nanamafy ny fifankatiavany sy fiombonany amin’ny Rainy.

Ny misterin’ny fiainan’i Jesoa tety an-tany dia tsy nisaraka tamin’ny asan’ny Fanahy Masina tao aminy. Ny andram-piainany tokoa manko no ampitainy amin’ireo mpianany. ny Fanahin’ny Ray no miteny. Niainan’i Jesoa tanteraka izany, na teo amin’ny fifandraisany tamin’ny Rainy na tamin’ny asa nanirahana Azy. Izay nitranga tamin’i Jesoa dia hahazo ny mpianany ary koa izay efa nahazo ny mpaminany. Natolony ny mpianany izany mba hanarahan’izy ireo koa ny lalana nodiavin’i Jesoa.

Ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa Kristy hatramin’ny farany no hahavoavonjy ny olombelona. Indraindray isika dia mora mivadika rehefa sendra ny patsa iray tsy omby vava. Manome ohatra ho antsika anefa i Masindahy Étienne izay ankalazain’ny Eglizy anio. Sahy namaky bantsilana ny haratsian’ireo loholona Jody izy, ka notoraham-bato ho faty. Tsy nampihontsona azy anefa izany. Ary tsy nitsahatra nivavaka izy teo am-pijaliana sady nanolotra ny fanahiny tamin’Izy Tompo. Entina ilazana izany fa nanana toe-po sy toe-panahy toa an’i Jesoa Kristy i Masindahy Étienne nanoloana an’Andriamanitra Ray sy ireo mpanjenjika azy. Ilay Fanahin’i Jesoa Zanak’Andriamanitra tao aminy mihitsy no niteny, nisolo vava an’i Masindahy Étienne. Ary dia nanome azy herim-po tamin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny finoana velona tao aminy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...