Alarobia 4 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo ; satria nidina ety ambonin’ny tany ny Hazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 35-42

Henontsika teo fa rehefa nitodika i Jesoa, ka nahita ireto mpianatra roa lahy nanaraka azy dia ny teniny voalohany dia ny hoe “inona no tadiavinareo?”. Ny valintenin’ireo dia mbola miendrika fanontanina ihany koa : “Ry mpampiantra, aiza ianao no mitoetra?”

Isika tsirairay manara-dia an’i Kristy ihany koa, no hametrahany an’io fanontanina io : inona no tadiavinao, inona no tadiaviko? Fanontanina toa mipetraka hampisaina antsika mba handinika, inona marina ny antony hitadiavantsika an’i Kristy. Mitady ny tena fiainana marina ve isika ka vonona hitoetra miaraka Aminy, mba hizaha ny fonenany, hahalalantsika ny momba azy sy hahafahana manara-maso ny fiainany ka hahafahantsika manovo ny hasambarana ao aminy. Halalantsika Azy misy kokoa, ny hoe mahalala an’i Jesoa dia tia Azy sy matoky Azy. Fa izy kosa, rehefa matoky azy sy manaiky hanatona azy isika, dia mandinika antsika koa ary manome antsika anarana vaovao, hanambara ny iraka tiany hampanaovina antsika, tahaka an’i Masindahy Piera: ianao no vato, vatofototra iorenan’ny finoana.

Hazavao ry Jesoa ny fonay, hahita anao ka hitoetra hiaraka aminao mandrakariva.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...