Zoma 6 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga Zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 6b-11

“Ianao no zanako malalako, ianao no ankasitrahako”. Injay ilay feon’Andriamanitra re avy any an-danitra nandritra nidinan’ny Fanahy Masina tamin’i Jesoa, rehefa nandray ny Batemin’i Joany. Izany tokoa no porofo nentin’Andriamanitra nanambarany amintsika fa zanaka malalan’Andriamanitra i Jesoa. Ary nomen’ny Rainy azy ny Fanahy Masina mba entiny hanatanterahany asam-pamonjena izao tontolo izao.

Isika ihany koa, nandray ny Fanahy Masina tamin’ny Batemy, ka nahatonga antsika ho zanaka malalan’Andriamanitra ihany koa. Vokatr’izany fahasoavan’ny Batemy izany dia afaka miady amin’ny fahotana isika. Ary miady amin’ny fahotana mandrakariva mba tsy hanary ilay fahasoavana noraisany tamin’Andriamnitra. Manasa antsika àry, mba hampita amin’ny hafa manodidina antsika ny asan’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fiainantsika azy.

Koa angatao mandrakariva àry, ny herin’ny Fanahy Masina, izay aina mamelona antsika sy mpanazava ny fiainantsika mba hanentana ny fo amam-panahitsika eo am-panarahan-dia an’i Kristy, ka ho vonona hiaina izay ambarany amintsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...