Sabotsy 7 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo; satria midina ety ambonin’ny tany androany ny hazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 2, 1-12

Henontsika teo fa tany amin’ny fampakaram-bady tany Kana no nanaovan’i Jesoa ny fahaganana voalohany. Nanatrika tao ihany koa i Maria Renin’i Jesoa sy ny mpianany. Ny fetin’ny fanambadiana moa dia fantatsika fa manambara na hoe maneho ilay fitiavan’Andriamanitra ny olombelona. Ka tsy fanehoana ilay fitiavian’Andriamanitra tonga teo an-tany hamonjy antsika fotsiny na dia nivadibadika isika olombelona fa izy kosa tsy mba nivadika, fa fanoharana sahady ilay fety omanin’Andriamanitra ho antsika hankalazana ny fihavanana amin’ny any an-danitra. Izy Andriamanitra no hampakatra antsika ary isika no hampakariny.

Ka ny fampitomboana ny divay izay nataon’i Kristy, izay divay tsara sy betsaka, dia manambara amintsika ilay fiainana tsara omen’i Jesoa antsika no sady mahafa-po. Entina hilazana, fa ao amin’i Jesoa irery ihany no ahitantsika ny hafenoan’ny tena fiainana, ny tena hasambarana. Ary henontsika teo fa i Maria Reniny dia niezaka mandrakariva nanampy ny olombelona hahazo izay tena fiainana marina izay: “Tsy manan-divay izy ireo”. I Maria dia mitondra ny fahasahiranan’ny olombelona any amin’i Jesoa zanany mandrakariva, eny fa na olana faran’izay mandinika indrindra aza. Mazotoa àry mangataka vavaka amin’ny alalan’ny fanelanelanan’i Masina Maria reniny: “ataovy izay rehetra holazainy aminareo.” Teny mamelona ny fitokisantsika an’Andriamanitra izany.

Mifampivavaha àry isika, mba hatoky ihany ko torohevitr’i Masina Maria amin’ny fanantaterahana ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ny fianantsika na dia tojo fahasarotana aza, mba ho vonona mandrakariva hanaraka izay lazain’ny tenin’Andraiamanitra amintsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...