Alarobia 18 janoary 2023 — Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 1-6

Fifamaliana nisy teo amin’i Jesoa sy ny Farisianina no resahan’ny Evanjely eto. Fifamaliana mahakasika ny lalàn’ny fialan-tsasatra amin’ny andro sabata. Manaitra manokana ny fanontanian’i Jesoa Kristy hoe : azo atao ve ny manao soa amin’ny andro sabata sa ny manao ratsy ? Azo atao ve ny mamela olona iray ho faty sa ny mamelona azy amin’ny andro sabata ?

Manaitra satria mampametra-panontaniana antsika ihany koa amin’ny fampiasana io andro io ankehitriny : andro fimamoana araka izay tratra sy fidorohana zava-mahadomelina isan-karazany ; andro fandehanana mafy be amin’ny fiara na moto ve io andro io sa andro ialana sasatra hanovozana hery vaovao sy hakana aina misimisy kokoa. Andro hiadivana amin’ny ao an-tokantrano ve sa andro hanatsarana ny fifandraisan’ny mpianakavy ?

Manasa antsika hisafidy ireo fanontaniana ireo na homba an’i Jesoa Kristy, izay tsy mitsahatra ny manao soa hatrany sa hiaraka amin’ny vondron’ireo Farisianina izay nitady ny hisambotra sy hamono an’i Jesoa mihitsy aza, araka ny voalazan’ny Evanjely novakina tamintsika farany teo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...