Sabotsy 4 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)

Ity Evanjely nambara teo ity no maneho fa tsy ny asa atao ihany akory ny manara-dia na mamaly ny antson’i Kristy fa filazana ny natao sy fibanjinana Azy maniraka, ary fandinihan-tena tamin’izay fomba nentina nanao ny asa nanirahana sy ny vokatra aterany. Io no hevitry ny fitokanana niantsoan’i Kristy ireto Apôstôly, rahefa niverina avy namita ny iraka izy ireo. Nantsoiny hiala sasatra, izany hoe: hanavao ny fiainana sy hanovo hery indray ao aminy.

Fa izany indrindra no iainana sy ianarana an’i Kristy, mba hananantsika manara-dia azy sy irahany, ny toe-po nananany, dia ny ho fatra-pangoraka sy mpiantra ny vahoaka.

Ry Jesoa Mpamonjy anay ô, nangoraka ireto vahoaka nanara-dia anao ianao, tsy namela azy ho toy ny ondry tsy misy mpiandry ka nahafoy ny fotoana ialanao sasatra mba hampianarana azy ireo, hanomezana azy ny teninao mahavelona.

Fitiavana lehibe tokoa no nasehonao ary fampianarana tsara indrindra, ho an’ireo manana sy anakinana adidy sy andraikitra, anisan’ireny ireo ray aman-dreny sy ireo miadidy ny fiainam-bahoaka, ireo mipetraka ho lehibe sy ho tompon’andraikitra eo amin’ny sehatra maro samihafa, ireo nomena fahefana hitantana sy hitondra ny vahoaka isan’ambaratongany… koa aza avela hanao ankilabao izay iadidiany izy ireo fa mba ho eo anilany mandrakariva.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...