Sabotsy 11 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 1-10)

Nanara-dia an’i Jesoa hatrany hatrany ireo vahoaka na aiza na aiza alehany. Satrin’izy ireo foana tsy hiala eo anatrehany, hany ka hadinon’izy ireo mbamin’ny sakafo tokony hohaniny aza.

Nampalahelo an’i Jesoa anefa izy ireo tamin’ny faharerahany nefa tsy nisy afa-tsy mofo dimy sy hazandrano vitsivitsy tany amin’ny mpianany, izay tsy ampy hozaraina firy akory. Teto dia nasain’i Jesoa nipetraka amin’ny tany ireto vahoaka maro. Amin’ny fomba Jody tokoa mantsy, rehefa mampipetraka olona ianao, dia midika fa misy sakafo azo atolotra azy ireo ao izay. Nandritra izay tokoa àry dia tsy nisalasala ny vahoaka nipetraka satria matoa izy ireo manara-dia an’i Jesoa hatraiza hatraiza dia manana fahatokisana tanteraka azy.

Teo indrindra no nampitomboan’i Jesoa an’ireo mofo sy hazandrano ho azy ireo, hany ka tsy lany indray aza, ary mbola betsaka ny ambiny. Io no tandidon’ny Eokaristia, ilay mofo zary tenan’izy Jesoa mihitsy, mba hahavoky ny fanahintsika. Aza misalasala àry manantona azy, fa ampy ho zaraina amintsika ny Vatany. Tsy tiany mantsy isika ho noana eo am-panarahan-dia azy, tahaka ireto vahoaka marobe ireto, fa tolorany ilay Mofom-piainana izay antoky ny famonjena antsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...