Talata 14 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 14-21)

Ry kristianina havana ! Anio dia mahatsiaro an’i Masindahy Cyrille sy Méthode ny Eglizy. I Masindahy Cyrille dia mpitoka-monina, ary i Masindahy Méthode kosa Eveka. Fa isika kosa dia manohy hatrany ny fandinihana ny Evanjelin’i Masindahy Marka izay aroso ho antsika isan’andro. Eto dia somary mavesabesatra kokoa ny fitantaran’i Masindahy Marka ny Evanjely satria vao eo i Jesoa no avy niady hevitra tamin’ireo Farisianina nitady porofo taminy noho ny tsy finoan’izy ireo sy ny hamafin’ny fony araka ny Evanjely omaly ary tsy nanome valiny ny fangatahan’ireo izy, dia anio indray dia ireto mpianany izay tiany sy namana miaraka aminy isan’andro ireto mihitsy aza kay no donto ny fony sy ny sainy tsy mahatakatra ny misterin’ny maha Andriamanitra azy na dia efa miaraka aminy isan’andro aza ary mahita ny fahagagana ataony. Mananatra sy mampitandrina azy ireo i Jesoa sao voan’ny mahazo ireo Farisianina ambaran’i Jesoa amin’ny sariteny eto fa lalivay. Manamafy ny voalaza omaly io fa efa nisy ireo endrika fakam-panahy maro ataon’izy ireo izay hamandrihana an’i Jesoa : ny demony no manana izany toe-tsaina izany. Ho an’ireto Farisianina ireto kosa dia tsy inona izany toetra raiki-tapisaka ao amin’izy ireo izany fa ny fihatsaravelatsihy, mafy fo sns. I Mansindahy Paoly koa miteny an’io ao amin’ny 1Kor 5, 6. 8, ka ilazany azy ho toy ny faharatsiana sy ny andolom-po. Zavatra hafa anefa no nandrasan’ireto mpianany izany. Nentin’ny fahatsorana izy ireo noho ny tsy fahalalany. Samy tsy omena tsiny na i Jesoa na ny mpianany eto satria samy manana ny manandrify azy sy ny mahamay azy. Voatery i Jesoa manazava sy mamerina amin’izy ireo ny fahagagana efa nataony teo aloha indrindra ny amin’ny nampitomboany ny mofo in-droa miantaona ary nanana amby tsy lany laniana izany. Sarotra ny mbola miandry an’i Jesoa raha izany rehetra izany no jerena sy fakafakaina.

Sarotra tokoa ry havana ny mahatakatra ny tian’i Jesoa hambara ary ireo olona nifamezivezy taminy tamin’izany fotoana izany ka mahatonga azy ireo hisalasala ary mametraka fanontaniana hoe iza marina i Jesoa. Eny, na isika koa aza ankehitriny dia mbola maro amintsika no voan’ny mahazo ireto olona manodidina an’i Jesoa tamin’izany fotoana izany ireto na ireo Farisianina na ireo mpianany. Zavatra maro manko no manery antsika sy mamolavola ny saina sy ny fo amam-panahintsika ka indraindray isika rendrika ao anatin’ireny. Ireny no karazana lalivay ampitandreman’i Jesoa ireo mpianany ka hampitandremany antsika koa : fitiavan-tena, fitiavam-boninahitra, fitiavam-bola, fankafizana tafahoatra loatra ny filan’ny vatana, fankafizana mihoa-pampana ny zavatry ny tany. Aoka ho tsapantsika fa efa nilaza tamin’ireo mpianany i Jesoa ary miteny amintsika ihany koa fa mitoetra ao amin’izao tontolo izao isika fa tsy olon’izao tontolo izao, ary isika aza no andrasana hitondra fanasina sy fahazavana ho an’izao tontolo izao difotra ao anatin’ireny rehetra ireny. Samia àry miezaka isika rrehetra.

Jesoa Tompo ô ! Tsy mikely soroka tokoa ianao mampianatra anay isan’andro amin’ny alalan’ny Teninao hamahanan’ny Eglizy anay isan’andro. Amin’ny alalan’ireny no mampitombo ny fahalalanay Anao sy ny finoanay koa arotsahy mandrakariva ao aminay ny Fanahy Masina hanokatra ny masonay jamba sy ny fonay donto hahalala ny sitrapon’Andriamanitra aminay ka harahinay sy hiainanay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...