Sabotsy 18 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ry Tompo, ary ampianaro ahy ny Fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 1-12)

Ry kristianina havana ! Indro fa mitarika antsika lalindalina kokoa hahalala ny misteriny, indrindra ny misterin’ny fitsanganana ho velona i Marka manoratra ny Evanjely. Miditra ao amin’ny toko faha-9 isika izao. Tian’i Jesoa hamafisina amin'ireto mpianany ireto ny filazany teo aloha fa tsy maintsy hijaly izy, hovonoina fa hitsangana ho velona. Izay ilay mistery fonosin’ny iraka nanirahan’ny Ray azy.

Matetika izy telo lahy ireto no entin’i Jesoa mitokana miaraka aminy : tamin’ny nananganany an’ilay zanaka vavin’i Zaira, tao amin’ny fiadiany aina tao Getsemania, indrindra ity fiovany tarehy ity. Tian’i Jesoa aseho amin’ireto mpianany ireto fa tsy tonga amin’izao vohinahitra asehony indray mielatra izao ireto mpianany tiany ary anazavany ny momba azy ireto raha tsy mandalo ny fijaliana sy mandalo ny fahafatesana noho ny fitondrana ny hazofijaliana. Hamafisiny amin’ireto mpianany ireto ny filazany teo aloha. Raha ny zava-misy anefa aloha dia tsy afaka miaraka amin’ny maha olona antsika eto amin’izao tontolo izao io ny zavatra nasehon’i Jesoa azy telo lahy ka mahatonga azy tsy namaly an’i Piera raha niteny izy hoe hanao lay telo dia hitoetra satria fantany fa mbola tsy vita ny iraka nampanaovina azy fa ny an-dry Piera kosa dia tiany hitoetra io fahitana indray mielatra teo io.

Ity seho tany an-tendrombohitra amin’ny fiovan’i Jesoa tarehy ity moa dia anisan’ireo fanambaran’Andriamanitra ny tenany. Ny teny nivoaka avy tao anaty rahona, izany hoe ny Tenin’ny Ray milaza ny maha Zanany an’i Jesoa dia mitovy amin’ny teny nolazainy tamin’i Jesoa natao Batemy teo Jordany ka nidinan’ny Fanahy Masina. Ny mampiavaka ireo seho roa ireo dia ny tamin’ny Batemin’i Jesoa ny tenin’ny Ray milaza fa Zanany malalany i Jesoa dia mivantana amin’i Jesoa fa ny teo amin’ity fiovany tarehy ity kosa dia mivantana amin’ireto mpianany ireto hanamafy ny finoan’izy ireo. Izay no mahatonga ilay teniny eto mibaiko azy ireo hoe “henoy izy”. Miteny amin’ireo mpianatra ireo izany hoe raha miteny i Jesoa fa tsy maintsy hijaly, ho faty ary hitsangana ho velona dia tokony hino izany izy ireo fa tsy ho diso hevitra tahaka an’i Piera. Ny fahatongavan’i Jesoa ho olombelona tahaka antsika moa dia mba ahalalany ny fahalemena mpahazo antsika ka ahafahany mamonjy antsika ka araka ny fampianaran’ireo Aban’ny Fiangonana dia tsy mahafoana ny maha Andriamanitra azy ny maha olona azy fa ahafahany kosa bebe kokoa mitsabo sy mamonjy antsika. Aoka isika hatoky ny fampianarany sy ny fitarihany antsika amin’ny alalan’ireo irany ao amin’ny Eglizy ka hihaino Azy sy hanao izay asainy ataontsika fa tia antsika izy ka tsy hanolo-bato mafana ho antsika fa ny ahavonjy antsika rehetra mandrakariva no kendreny.

Jesoa Tompo ô ! Tsy takatry ny sainay tokoa ny misterin’ny fanavotanao anay raha ny maha olona anay fotsiny no hianteheranay. Ankaherezo mandrakariva toy ny nataonao tamin’ireo mpianatrao izahay ahafahanay matoky fa ny nanoloranao ny tenanao teo amin’ny hazofijaliana dia ny mba hahavonjy anay. Jesoa Tompo ô, matoky anao izahay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...