Alakamisy 2 marsa 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 7-12)

Ry mpihaino hajaina, ao anatin’ny herinandro fanombohan’ny karemy isika no ampianarin’i Jesoa hanana fitokisana feno an’ilay Raintsika rahefa mivavaka. Te-hampirisika antsika ny Soratra Masina hazoto hivavaka tsara dieny mbola manomboka ny fotoanan’ny karemy. Hoy i Jesoa amin’ny fampirisihana: “Mangataha dia homena ianareo, mitadiava dia hahita; dony dia hovohaina fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita ary izay mandondona no hovohaina”. Mamaly vavaka Andriamanitra ho an’izay mangataka aminy. Tsy very fotoana isika na sasa-poana rehefa mivavaka. Efa nifampizarantsika teto fa ny mivavaka dia tahaka ny mihaona amin’ny namana akaiky indrindra ka fotoana tsy manam-paharoa loatra izany. Izany hoe fotoana sarobidy, fotoana fifampizarana, mety fotoana fangatahana soso-kevitra koa. Ka ny mivavaka dia tsy fanariana fotoana sanatria na natao ho an’ny olona tsy misy atao fa fotoana kosa mangataka amintsika ny finoana marina.

Efa nohamafisin’i Jesoa fa mahalala ny soa ho antsika Andriamanitra na dia mbola tsy mangataka aza isika. Ambaran’i Jesoa fa na dia “ratsy aza ianareo afaka manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka fa ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa an’izay mangataka aminy?” Manoloana an’Andriamanitra Ray àry dia ilaina ny toe-panahin-janaka. Zanaka isika eo anatrehany ary dia nambaran’i Jesoa tamin’ny fanoharana teo izany fifandraisana izany. Noho izany tsy ho maro teny fa hiaiky eo anatrehan’Andriamanitra fa tsy mahavita na inona na inona raha tsy ny fahasoavany irery ihany ka hanana ny toe-panahin’ny ankizikely: vitsy teny, ny fangatahana no ambeti-teniny, tsy mahavita tena fa mila ny fanampian’ny hafa, tahaka ny fifandraisan’ny Ray sy ny zanaka. Zava-tsoa irery ihany no omen’Andriamanitra Ray antsika ka hahay hisaotra sy hankasitraka azy mandrakariva amin’izay omeny isika.

Ny tena mpivavaka àry dia tahaka ny Ray, hita sy azo tsapain-tanana eo amin’ny fiainany fa tsy misy afa-tsy ny fanaovan-tsoa, fifanampiana, fifankatiavana, ho an’ny mpiara-belona ny mameno ny fiainany.

Ry Ray mpahary anay ô, misaotra amin’ny zava-tsoa maro samihafa itantananao anay isan’andro. Misaotra fa ianao dia vonona mihaino sy mamaly anay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...