Talata 7 marsa 2023 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)

Andriamanitra mandio antsika na dia amin’ny fotoana faran’izay zava-dova sy maloto indrindra aza. Ny fiainantsika io tsy ho tonga lafatra raha tsy miezaka mafy hizotra amin’ny lalam-pahasambarana isika. Ny soa atao tsy levenam-bola ihany fa loharanon-kafaliana miboiboika ao anaty ihany koa. Ny Evanjely teto dia tsy hoe famelezana ny mpitondra sanatria, fa fampianarana kosa mba hahaizana miaina ny fahefana izay nomena antsika na amin’ny zavatra lehibe na amin’ny zavtra kely. Ny fahefana raha tsy mitandrina isika dia mety ho lasa fitadiavam-boninahitra ka hadino ny antony nanendrena anao ho amin’ny andraikitra iray. Fifanompoana no nasain’i Jesoa himasoantsika bebe kokoa. Izay miaina ny Evanjely dia tsy hampiasa ny lalàna mba hamaizana fa hanasoavana. Matoa ny olona mamoritra olona iray. Matoa mahavita mampijaly dia izy no voalohany indrindra jamba tsy mahita akory izy lalana mitondra amin’ny soa sy mahasambatra. Tsy midika ho baranahany sy tsy ho fanarahan-dalàna anefa izany. Ho an’ny Jody dia tena tsy maintsy averimberina isan’andro ho tafapetraka any am-po sy any an-tsaina ny lalàna.

Ny fombafomba sy ny fanazavana mivilana ny lalàna ataon’ny Farisianina mba hamoretana ny hafa no mahadiso azy ireo, fa tsy ny lalàna no tsy ilaina. Hoy ny Salamo hoe “misaora an’Andriamanitra raha mbola misy mampahatsiaro anao ny lalàna.” Ho an’izay manana adidy hananatra dia tokony hitandrina satria ny fomba sy ny fotoana ary ny antony hitenenana no mahatonga ny teny lazaina hamelona na hamono. Tsy tompon’ny lalàna izay miteny fa iraka, ka mahatsiaro fa ny lalàna dia nomen’Andriamanitra mba hampitombo bebe kokoa ny fiombonantsika aina aminy sy ny fifankativatsika samy isika. Izay lazaintsika amim-pitiavana mba hikatsahana ny soa ho an’ny hafa no lalana mamelona satria, araka ny Fanahy (Galata 5, 1).

Hitantana ny diantsika hahazo ny famonjena anie ny Fanahin’ny Tompo, ka ny hafaliana vokatry ny Evanjely tiantsika ho zaraina amin’ny hafa anie hanenika ny fiainantsika manontolo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...