Alarobia 8 marsa 2023 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 17-28)

Mampianatra antsika ny Evanjely anio, hiakatra ho any Jerosalema, hahafoy ny ainy hanavotana ny maro. Ny anirian’ny olona ny hahazo voninahitra, ny tenin’ny zanak’i Zebede na Salomona fa i Joany sy I Jakoba mihitsy no nangataka, saingy nolazain’i Matio hoe “ny reniny mba tsy hanalabaraka azy”. Tsy mbola azon’izy ireo ny fampianaran’i Jesoa ny amin’ny fanompoana, handà tena sy hitondra sy hazofijaliana. Iza tokoa moa rehefa atao Kômonio voalohany na Fankaherezana no mihevitra an’izany, eny fa na dia amin’ny maha pretra aza, hitondra ny hazofijaliana ka handà tena isan’andro : ny fety ny sakafo sy ny fanomezana no mahamay ny sasany. Mila mamola-tena hanaraka ny Evanjely hanompo tokoa.

I Jesoa etsy an-daniny milaza ny fahafatesany, izy roalahy kosa etsy an-kilany mbola mieritreritra ny seza fiandrianana ihany, tsy fantany izay nangatahany ; iza no te hipetraka eo ankavia sy ankavanan’i Jesoa, iza no te hihantona eo anilany amin’ny andro namonoana azy ; fantantsika fa jiolahy roa no teo.

I Jakôba maty martiry manodidina ny taona 41 (Asa 12, 2). Ho an’izay nanamboarana azy ny toerana, hoy i Jesoa, ampahatsiahivina isika fa tsy ny faniriana ny ho lehibe no ratsy fa ny fiheverana ny atao hoe lehibe no mety ho diso. Ampirisihan’i Jesoa ho tonga lohany ny mpianany, saingy lehibe sy filoha mifaninana hifanompo. Ho an’izay te ho mpiantr’i Jesoa, tsy fanjakazakana fa fanompoana no maha lehibe ka ny tanjona iombonana dia ny fanavotana ny olona rehetra, tsy ho mpamaly faty fa ho mpananatra.

Ray ô, tsimbino izahay fianakavianao izay tohananao amin’ny famindram-ponao, mba hanao asa soa mandrakariva araka ny nampianarinao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...