Alahady 12 marsa 2023 — Alahady fahatelo amin'ny Karemy — Taona A — Ianao tokoa no Mpamonjy an’izao tontolo izao, ry Tompo, ka omeo amin’izany rano izany re aho, mba tsy hangetaheta intsony — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 4, 5-42)

Ry kristianina havana, niresaka nitokana tamina vehivavy Samaritanina iray i Jesoa. Anton’izany dia te handrodana ireo sakantsakana najoron’ny olombelona Izy ; sakantsakana vokatry ny fanavakavahana ara-piaraha-monina sy ara-pivavahana ary ara-kolontsaina. Misy fomba sasany tsy manaiky ny fahasamihafana mihitsy ; ka eo indrindra i Jesoa ho modely mihaino ny olona rehetra. Izany rahateo no toe-panahy apetraky ny Sinaody : mihaino sy mifampihaino ny sokajin’olona rehetra.

Ny olombelona rehetra mangetaheta no entin’ilay vehivavy Samaritanina io : mantsaka rano, mitatao vovonana ; mandeha irery sy amin’ny ora tsy fivoahan’ny olona satria menatra ny fiainany izy. Dia mangataka rano amin’i Jesoa, ary avy eo mangataka fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny fivavahana marina. Tahaka izany koa isika : sempotry ny fiainana, tonafan’ny danitr’andro, trotraky ny rotoroto, mila ho kivy satria diso fanantenana… Dia mangetaheta isika : maniry fiatoana, te hiala hetaheta, maniry fitsaharana, maniry fiainana. Tsara izany faniriana izany satria raha tsy mangetaheta ny olona, tsy afaka manao na inona na inona Andriamanitra ; tsy afaka hanao amboletra mihitsy Andriamanitra na dia sitrapony aza ny hamonjy, raha tsy maniry ny olona.

Io indrindra i Jesoa mangetaheta : mangataka ny hanomezantsika Azy ilay rano velona miboiboika ao am-pontsika, maniry ny fontsina Izy, maniry ny fitiavantsika, mangetaheta ny hangetahetantsika azy, maniry fatratra ny hanirintsika azy. Tonga eo amin’ny fiainantsika Izy, masoandro be lohataona, fahazavan’izao tontolo izao, mangetaheta fitiavana, mangetaheta hotiavina.

Izy nangataka indray no manome, satria Andriamanitra tompon’izao tontolo izao, manetsaka fahasoavana an’izay mitady Azy ; Izy ilay nandrotsaka rano sy ra avy tamin’ny fony, miantso antsika izay mangetaheta hanovo eo an-doharano velona. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...