Alatsinainy 13 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Aza manamafy ny fonareo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 24-30)

Ry kristianina havana, tonga hiantso ny mpanota hibebaka i Jesoa tao Nazareta tanànany ; tsy noraisin’ny olona anefa Izy. Mpaminany tsy masina an-taniny. Satria tsy nahaliana ireo mpiray tanàna taminy intsony i Jesoa Kristy fa efa hitany isan’andro ; tsy nahataitra azy ireo intsony izay nolazainy sy nampianariny satria olona nahazatra azy ireo i Jesoa. Izay fahalalana eto ivelany izay no nisakana azy ireo tsy hino. Mitombina izany amin’ny lafiny maha olombelona. Saingy kosa mila manokatra ny saina sy ny maso, mila manokatra ny fo, mila mifampihaino, mila miala amin’ny hevitra raikitra sy ny fitsarana ivelany. Satria zavatra tsy ampoizina sy olona tsy ampoizina no ampiasain’ Andriamanitra hamonjena.

Noraisin’i Jesoa ho anatra ho an’ireo tsy nihaino Azy ny zava-nitranga taloha. Samy itoriana ny Fanjakan’Andriamanitra na i Israley vahoaka voafidy na ny hafa firenena, fa ireto farany no nandray. Ny tiana ambara amin’izany dia hoe miasa hatrany Andriamanitra ka izay manaiky Azy, izay mino Azy dia vonjeny na dia tsy isan’ny vahoaka voafidy aza.

Tezitra tamin’i Jesoa ireto olona nanariny ka saika hamono Azy. Mety ho tratran’izany fakam-panahy izany koa isika : Andriamanitra manelingelina, manakorontana ny nahazatra, Andriamanitra manohintohina tombon-tsoa ka aleo ampanginina na akisaka na odiana tsy jerena. Dieny mbola anaty karemy isika, dieny mbola misy fotoana ibebahana, dieny mbola eo i Jesoa mampianatra, andao hihaino azy. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...