12 aprily 2023 — Alarobia amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 13-35)

Manamarika an’Andriamanitra miara-dalana amintsika olombelona ity sombin’ny Evanjely eto ity. Mety ho tsapantsika izany nefa koa tsy voatery ho tsapa. Ireo mpianatra roa lahy nankany amin’ny vohitra atao hoe Emaosy, manambara antsika olombelona mizo-dalana eo amin’ny ankobanandrontsika. Nanatona i Jesoa raha mbola nifampiresaka teo izy roalahy kanefa tsy fantany satria: “Voasakana tsy hahafantatra Azy ny mason’izy ireo”. Izy Andriamanitra manatona, miditra amin’ny fiainantsika ka avelao handray anjara amin’izany Izy fa aza sakanana. Fa raha tsy avelantsika hiditra Izy dia hisosoka ilay ratsy ka ho voa mafy amin’izany isika. Izy roalahy mihevitra fa olona sendra tafara-dalana fotsiny ity fahatelo mifampiresaka amin’izy ireo ity, kanefa hay Izy Tompo mihitsy. Izy Jesoa koa moa mody vahiny, mody fanina eo anatrehan’izany. Izao koa: fantatra ny anaran’ny iray amin’ireto mpianatra ireo, dia i Kleofasy fa ny miaraka aminy tsy iza fa isika tsairairay avy ka aza heverina ho olon-kafa akory. Isan’ny mandray anjara isika fa tsy mpitazana fotsiny.

Ny fanontanian’i Jesoa hoe: “Inona izato resahinareo etỳ an-dalana”, toa miantefa amintsika ihany koa ka ilazany ankehitriny hoe: “Inona izato mahavariana antsika?”, manjary hadino mantsy Izy fa lasa revon’ny fitadiavana, ny ady lahy politika, ny fifandirana, ny fifankahalana, ny tsy fisiana, ny tsy fananana, ny fahaverezana asa, ny fisolokiana, ny fanambakana, ny fitsetsefana, ny Facebook, sy ny fitaovan-tserasera maro lafy, ny fianarana, ny fikarakarana tokantrano… Valy azontsika omena Azy ankehitriny ireny. Raharaha eto ny hoe: mampianatra sy mampahalala Azy Andriamanitra indray ireto mpianatra, toa mifamadika mihitsy. Raha mba fantany mialoha mantsy dia tsy hiseho izany. Isika mihitsy hoy i Jesoa no “Adala, sy votsa saina amin’ny finoana izay rehetra voalazan’ny mpaminany”. Naverin’i Jesoa any amin’ny loharano izy ireo ka nazavainy ny Soratra Masina manambara Azy. Izany hoe efa voalaza ao amin’ny Baiboly ny momba Azy rehetra ka tokony ho fiainantsika io, ao isika no mandinika sy mamakafaka fa ao ny vahaolana rehetra. Tsy araka izay saim-pantatra fa araka ny Fampianaran’ny Eglizy sy ny lovan-tsofina masina. Izy telo ireo mantsy tsy azo sarahina: Soratra Masina, ny fampianaran’ny Eglizy ary ny Lovantsofina.

Ankoatra izany, azo lazaina fa mitarika antsika hanakatra ny fizotran’ny Eokaristia na Lamesa ity tantara eto ity: tsy mijanona fotsiny amin’ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra fa tonga hatramin’ny tena Eokaristia, dia ny Fizarana Mofo izany. Novoasan’i Jesoa tamin’izy roalahy ny Teniny avy eo namaky Mofo Izy, dia ny tenany izany, ka fantatr’izy ireo tamin’izay fa hay i Jesoa no niresaka taminy hatramin’izay. Fankalazana tsy azo sarahina ireo amintsika katôlika ka tsy azo anaovana ankambo. Marina aloha fa ho antsika eto Madagasika misy tsy afaka mankalaza ireo miaraka any ambanivohitra any noho ny tsy fahampian’ny pretra kanefa kosa miombona mandrakariva amin’ny Eokaristia ankalazain’ny Curé any ho any ka tafiditra ihany izy ireny. Paka ny andro ka lazaina eto fa mifamatotra ny Eokaristia sy ny Paka satria isaky ny mankalaza ny Eokaristia isika dia mankalaza Paka mandrakariva. Tsy nijanona teo izy roalahy fa lasa niverina namonjy ny namany. Maneho izany fa tsy ampy ny mankalaza ny Eokaristia fa rehefa miverina any amin’ny fiainana andavanandro isika dia mitondra Azy Jesoa lalandava. Izany hoe iainana izay azo nandritra ny fankalazana. Koa alao hery àry, fa miara-dalana amintsika mandrakariva i Jesoa tafatsangan-ko velona.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...