20 mey 2023 — Sabotsy, Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo; ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 23b-28)

Ry mpihaino hajaina, avy nankalaza ny “ascension” na ny niakaran’i Jesoa any an-danitra isika ny alakamisy teo. Hamafisin’i Jesoa tsara aminy teniny izany androany, hoy Izy: “Avy amin’ny Ray no tonga amin’izao tontolo izao Aho, ary hilaozako indray izao tontolo izao ka hankany amin’ny Ray Aho”. Lasa any amin’ny Ray Izy, ankavanan’ny Ray, izany hoe mitoetra akaikin’ny Ray, tsy lavitran’ny Ray fa miara-mitoetra amin’ny Ray.

Matetika moa rahefa te-hifandray amin’ny olona iray isika kanefa tsy mbola nisy fifandraisana akaiky aminy dia mitady mpanelanelana izay ahafahana mifandray amin’ilay olona. I Kristy dia akaiky an’ireto mpianany ary lasa nankany amin’ny Ray. Ireto mpianany mbola tsy nahita ny Ray, naniry hahita Azy aza. Lasa mpanelanelana akaiky ny olombelona sy Andriamanitra Ray i Jesoa Kristy. Ka hoy indrindra i Jesoa manamafy ny amin’ny fifandraisana amin’ny Ray sy te-hilaza hoe ianareo dia efa akaiky ny Ray satria efa eo akaikiny Aho izay arahinareo ka mangataha amin’ny Ray fa homeny amin’ny Anarako.

Ry mpihaino hajaina, manana an’i Kristy isika eo akaikin’ny Ray: mpisolovava, mpanelanelana lavorary Izy eo anatrehan’ny Ray. Izy efa nanolotra ny ainy ho antsika, efa nitia antsika ary mahalala ny halementsika ary mbola mitia antsika mandrakizay.

Amporisihin’i Jesoa àry isika hifandray amin’ny Ray amin’ny Anarany, ary nolazainy fa hatramin’izao mbola tsy nangataka na inona na inona tamin’ny Anarako ianareo. Tsy fampanantenana poakaty no nolazain’i Jesoa fa hahazo izay hangataka satria hoy Izy hahazo ianareo satria ny Ray tia anareo koa noho ny nitiavanareo Ahy sy ninoanareo fa avy amin’Andriamanitra Aho.

Ry mpihaino hajaina, mamporisika mafy i Jesoa amin’ny fifandraisana amin’ny Ray, indrindra moa Izy izao miverina any amin’ny Ray izao, tsy ho eo ara-batana hitamaso intsony. Mampatsiahy Izy mba ho matotra hatrany ny fifandraisana aminy sy amin’ny Ray, tsy inona moa izany fa ny vavaka. Mangataha àry dia hahazo ianareo ary ho tanteraka ny fifalianareo. Ny mangataka eto dia mivavaka, ary izany vavaka izany dia loharanon’ny fifaliana sy fiadanam-po.

Mety misy fifaliana sandoka sy mandalo vetivety fa ny fiombonana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka dia maharitra ary loharanon’ny fahasoavana sy fiadanam-po.

Ry Jesoa zokinay, eo ankavanan’ny Ray o, misaotra anao mamporisika anay tsy hisalasala fa hatoky ny Ray. Matoky izahay manana anao tsy mitsahatra mitalaho ho anay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...