26 mey 2023 — Zoma, Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 15-19)

Ao amin’ny Evanjely alahady faha-3 fankalazana ny Paka taona D, dia tsara ny mapahatsiahy ireo hevi-dehibe tian’i Jesoa ambara amin’ny anjara toeran’i Piera sy ny Fiangonana, amin’ny famahanana ny andian’ondry. Izy Piera no nanainga ny mpianatra andeha hanjono amin’ny fiantombohan’ny toko faha-2, ary na dia ny mpianartra malalan’i Jesoa aza no mahalala fa ny Tompo io, dia izy no nisarika ny harato feno trondro ho any amin’i Jseoa kanefa tsy rovitra ny harato.

Raha averina dia misy heviny manokana izany ho an’ny Fiangonana na dia mety hahalala mialoha ny Tompo aza ilay mpianatra malala, dia anjaran’i Piera ny mitarika ny asa apôstôlika sy mitahiry ny firaisan’ny Fiangonana; mampalahelo ny mieritreritra ny zava-misy eo amin’ny Fiangonana indraindray. Ny angatahan’i Jesoa amin’i Piera sy amin’ireo dimbiny, mazava ho azy, eo amin’ny Fiangonana manontolo tarihiny, dia tsy hitery hihinana ny ondry fa hamahana azy. Tsy hibaiko fa hanasa tongotra sy hanompo. Tsy hampianatra toy ny mpitari-bato vilam-bava fa ho fakan-tahaka ho an’ny ondry tarihana.

Mamahana ondry amin’ny tenin’ny fiainana, izay ezahany hiainana ihany koa . Tsy mety raha ilaozany mitandrina ny sakafo ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra (Asa 6, 2). I Jesoa moa nanotany an’i Piera raha toa ka tia azy. I Piera namaly valim-pitia fa tsy fitiavana araka ny hitiavan’Andriamanitra (phileo). Dia eken’i Jesoa ny hitiavany araka izay vitany. Amin’ny fanintelony dia tsy manontany azy hitia araka ny hitiavan’Andriamanitra intsony i Jesoa fa mampifanaraka ny fanontaniana araka izay vitan’i Piera amin’ny maha olombelona azy. Hery ampy hanosika an’i Piera hamahana ny andian’ondrin’i Kristy izany.

Ambaran’i Joany mazava fa i Kristy no mpiandry ondry, ary antsoiny hamahana ny ondriny izay tia azy. Isaky ny avy mandray kômonio isika no anontanian’i Jesoa, moa tia ahy mihoatra noho ireto va ianao? Dia mazava loatra fa amin’ny fanomezana sakafo ahavelona ny ondriny no hifaninanana amin’izany. Tia antsika ny Ray, fitiavana toy ny hitiavan’olombelona no ampiasain’i Joany (Jo 16, 23-28). Sabotsy faha-6 amin’ny Paka. Efa nantsoiny hoe sakaiza isika ary namborahany ny tsiambaratelony manontolo.

Fahafoizana ny tena manontolo hamahana ny ondry, no hamaranana’i Jesoa ny teniny amin’i Masindahy Piera. Ny hoe manaraha ahy dia mampahatsiaro antsika fa tsy mpiandry ondry arahana i Piera fa ondry manaraka an’ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra manala ny fahotana, ilay namindrany fo tamin’ny fandavany azy. Tsy valisoa sy fankasitrahana anefa no setrin’izany fanarahan-dia izany fa fandehanana amin’izay tsy tiana aleha, I Piera ilay tsy manaiky ny hosasana tongotra fony izy tanora satria tsy nampianatra velively ny hilatsa-tena ho mpanompo, dia hiraviravy ny tanany eo amin’ny Hazofijaliana toa an’i Jesoa ny taona faha-64. Ary lazain’i Eusèbe fa ny lohany no nataony ambany fa tsy mendrika ny hitovy amin’ny mpampianatra azy izy, izany no nahafoizany ny ainy hijoroany ho vavolombelona ho an’ny andian’ondry voahenjika toa azy koa. Izany rehetra izany dia mba ho voninahitr’Andriamanitra tahaka an’i Kristy miditra amin’ny voninahiny tamin’izy nasandratra teo amin’ny Hazofijaliana (Jo 12, 26)

Ny Fanahy Masina anie, hampitombo ny zotom-pontsika hihaino sy hankato ny Tenin’Andriamanitra ary hampihatra azy amin’ny faanompoana ny hafa, satria fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny asantsika rehetra.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...